kolontsaina

TENY GASY Mangarahara ialana amin’ny ahiahy tsy mampihavana


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Ho fanehoana ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny tilikambon’ny Fiangonana ao amin’ny Rovan’Antananarivo, dia niantso solontena vitsivitsy tamin’ny taranak’Andriana (ny Andriamanjaka izany) ny Ministera.

Efa malina ihany aloha satria tsy nodinganina ireo taranaka. Saingy ny fijoroan’ny solontena teny Anatirova tsy midika fankatoavana na fitsipahana na tso-drano ara-teknika, izay tsy ananany fahaizana rahateo. Ny lahatsoratra «Nilatsahan’ny varatra ny Fiangonana-Anatirova» (Teny Gasy, 24 janoary 2023) dia nametraka fanontaniana vitsivitsy :

- Ny tatitry ny Filan-kevitry ny Ministra tamin’ny 18 janoary 2023 dia milaza fa misy «asa maika hanamboarana ny tilikambon’ny Fiangonana Anatirova izay nilatsahan’ny varatra fotoana vitsy lasa izay ka misy triatra». Fa, tsy nisy fandrim-baratra angaha ny Fiangonana no nilatsahan’ny varatra ?

- Tsara ho fantatry ny vahoaka ihany koa, oviana izay «fotoana vitsy lasa» izay, ary tokony hampahafantarina mangarahara ny fehin-kevitra teknika manamarina sy mamaritra ilay «triatra».

- Mbola izany tatitry ny Filan-kevitry ny Ministra izany ihany koa no manambara fa ho araraotina izao «hanaovana ny asa fikojakojana ny fiangonana izay efa an-jato taona no niorenany ka mila fanamafisana» : aleo ho fantatra mazava izay «asa fikojakojana» kasaina ary ireo «fanamafisana» heverina.

- Voalaza fa «efa vita avokoa ny fanadihadiana sy ny fandinihina mikasika ny asa izay hatao» ka izany indrindra no ilaina ho fantatra miharihary mba tsy hihavian’ny fanafintohinana hafa indray.

Raha fehezina dia fitakiana fomba fiasa mangarahara tsotra fotsiny : inona marina no nitranga, oviana izany no nitranga, inona no tatitra ara-teknika mikasika izay nitranga, inona no fehin-kevitra ara-teknika amin’izay ho atao, inona no tapaka fa ho atao. Mangarahara ialana amin’ny ahiahy tsy mampihavana.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT