kolontsaina

TENY GASY Mahari-pery saingy be vazivazy maneso sy somonga manaraby


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Mahari-pery ny Gasy. Ny any Andafy mbola namorona fiteny hoe «résilience», izay tany am-boalohany tsy nifandraika velively amin’ny olona sy ny fiaraha-monina, isika efa hatramin’izay no mahay manamboatra saina.

 

Io «Résilience» io mantsy dia vao haingana (izany hoe telopolo taona teo) no nentina manondro olona manana herintsaina nihoarany izay nahiana ho takaitra ara-panahy noho ny voina nianjady taminy. Ny antsika teto, izany «mahaiza-mionona» izany efa «araka ny fomban-drazana izay tsy mbola hita izay maharatsy azy».

Lahatra, vintana, anjara : tsara topazan’ny psykôlôjia maso ihany angamba ireo hevi-teny malagasy ireo. Raha tsy nisy an’ireo tokoa, mety ho inona no niseho teto Madagasikara, raha tsy hiresaka afa-tsy izay enimpolo taona lasa izay fotsiny.

Fanaovana politika tsy misy fitsinjovana ny tombontsoa iombonana. Fahefa-mividy nitambotsotra, ka nitotongana hatramin’ny fivarinana anaty fahantrana. Ny kolikoly (izay voambolana tena malagasy efa hita tamin’ny rakibolana taonjato faha-19) manjary fomba fitantanana, handrindrana ny fandrobana ny harem-pirenena.

Ny lalana simba, ny jiro tapaka, ny rano maloto, ny fitsaboana tsy manara-penitra, ny sekoly mitafo lanitra : tsy mba izany anefa no mampidina ny Malagasy an-dalambe, fa ny kobaka am-bava ifandimbiasan’ny mpanao politika hafa : tsy fahaiza-mitantana anio no atakalo fampanantenana poakaty rahampitso.

Aleo ihomehezana, hoy isika, na dia manafintohina tanteraka aza. Inona no angano-arira farany ? Hoe handefa mpanao lavadavaka amin’ny lalana any Okrainina i Madagasikara mba hanasoratra ny dian’ireo «tank» rosiana. Na koa hoe : any Japana, mamono tena izay tra-tehaka manao kolikoly ; any Shina, vonoina ho faty ; any an-kafa, ahiditra am-ponja ; eto Madagasikara, avela hirotsaka amin’ny fifidianana. Ireny, tsy nisy tany niainana ny «délestage» : tsy nirotaka ny olona fa nifampizara hatsikana hoe «An’izay i Andry e», vazivazy maneso ny fampielezan-toky fitaka.

Lahatra, vintana, anjara : angamba. Vazivazy maneso, somonga manaraby : indrindra koa.

VANF

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT