kolontsaina

TENY GASY Lany hono : iza, inona, aiza, oviana, fa dia nahoana


  • Zoma 31 Martsa 2023

Ampitson’ny fifidianana, mbola tsy fantatra ny vokatra feno, manerana ny Nosy. Any amin’ny firenen-kafa anefa, alin’iny ihany dia efa ambara manontolo ary mifanolotra firarian-tsoa ny mpifaninana.

Io fahalavam-potoana io mambosy diso ny Vahoaka. Ny Gazety ampitson’ny fifidianana, lohateny lehibe, faran’izay lehibe, no mibahana sy manintona avy hatrany ny olona tsy manana ny vola akory hividianana gazety. Sary iray, teny dimy, tsy hahafehy na oviana na oviana ny fanontaniana tsy maintsy omem-baliny ho vakiana : Iza, Inona, Aiza, Oviana, Nahoana.

Dia fanontaniana fanampiny, efa eso vazivazy, ny momba ireo hoe «Tany lavitra Andriana». Dimy Arivo sy Roa Alina ny biraom-pifidianana, dimy taona lasa : asa, ho firy indray izy izao. Raha ny tokony ho izy, raha tsy nafafy tamin’ny tsy misy fotony sy tsy misy antony ny volam-panjakana, ny alin’ny androm-pifidianana dia tokony efa fantatra ny vokatra rehetra manerana ny Nosy.

Io ilay «informatika-nomerika-biometrika» : karapanondro tokana sady mandrakizay, manaraka ny Malagasy tsirairay, vao teraka ka mandra-maty. Fantatra avy hatrany firy ny Malagasy. Fantatra isan’andro firy no teraka, firy no maty. Fantatra avy hatrany Ranona nifindra monina. Fantatra avy hatrany ny Mponina isam-paritra sy isam-poko. Fantatra avy hatrany ny isan’ny mpifidy. Fantatra avy hatrany ny voka-pifidianana.

Raha izay «informatika-nomerika-biometrika» izay no tanteraka tsy afaka hamboly ahiahy tsy ihavanana ny sasany. Tsy misy fandresena feno amin’ny vokatra ampahany. Afaka mandainga daholo mantsy, na ny mitondra na ny manohitra, tany ka tsy mbola misy «informatika-nomerika-biometrika».

Enimpolo taona mahery aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, tsy mbola ity fifidianana ity, tontosa anatin’ny ahiahy tsy mbola «informatika-nomerika-biometrika», no hamboly fifampitokisana.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT