kolontsaina

TENY GASY Klopp : nivavahana omaly, ho voaroaka rahampitso


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Ny Premier League no heverin’ny maro fa fifaninam-pirenena avo lenta sy sarotra maneran-tany. Miteny amin’izao tontolo izao ny anaran’ny tarika anglisy mahay indrindra : Liverpool, Manchester United, Chelsea, Manchester City, Arsenal.

Mpanazatra isan’ny mahay indrindra maneran-tany i Jurgen Klopp, izay mitantana an’i Liverpool hatramin’ny 2015. Miaraka amin’i Klopp io tarika io vao nahazo amboara indray. Miezinezina indrindra amin’ireny ilay fandresena tamin’ny «Ligue des Champions» 2018-2019.

Nialoha iny fandresena iny dia «Poulidor du football» no nanomboka niantsoan’ny mpanao gazety an’i Klopp satria lalao famaranana enina misesy no veriny : DFB Pokal 2014 sy 2015, League Cup 2016, Europa Ligue 2016 ary indrindra «Ligue des Champions» 2013 sy 2018. Manginy izy mbola faharoa fotsiny indray tamin’ny «championnat» anglisy 2018-2019 anefa nahazo isa 97, ary tsy resy afa-tsy indray mandeha tamin’ny lalao 38.

Soa fa tompon-dakan’ny Angletera tsisy adi-hevitra tamin’ny 2019-2020, saingy somary takotakon’ny Covid ilay fibatan’i Liverpool indray amboara voalohany tao anatin’ny telopolo taona. Ny 2021-2022 farany teo, mbola isa tokana indray (93-92) no naha faharoa an’i Liverpool ka tsy nahavitan’i Klopp nandrombaka ny amboara rehetra tany Angletera : Premier League, Cup, League Cup, Community Shield. Saika taona fatratra indrindra aza moa iny 2021-2022 iny saingy resin’i Real Madrid tamin’ny famaranana ny «Ligue des Champions» i Liverpool.

Palmares miteny ho azy. Saingy, kitra avo lenta tsy mamela fahapotrahana na dia kely aza. Arsenal-Liverpool 3-2, 9 oktobra 2022. Efa tapitra ny fe-potoana. Ahiana ho tapitra ato ho ato ihany koa ny fiaraha-miasan’i Klopp sy Liverpool izay efa tara isa 14 sahady amin’ny lohan’ny Premier League. Nanoratra Tantara vaovao i Klopp, hamela tsangambato sarotra ho diasana, saingy tsy misy sitraka amin’ny lasa ny toe-tsaina maimaika sy taitaitra ankehitriny.

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT