TENY GASY

Izay voky maharaka ny namany


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Mifanindran-dalana ny famadihana sy ny fidiran’ny mpianatra. Iza no ho omen-danja kokoa,

satria samy vola mivoaka avokoa ireo, ary indrindra raha fianakaviana sahirana, ny razana efa maty sa ny taranaka ho reharehan’ny fianakaviana sady ho avin’ny firenena ?

Fomba moa ilay famadihana, ka sarotra asian-teny. Na izany aza, mahasosotra ihany ny mieritreritra hoe karama efa hiazin’ny vidim-piainana, mbola laniana amin’ny famadihana ny maty efa tsara toerana any am-pasana. Ankilany, mahasosotra ihany koa ny fomban’ny sekoly mitaky isan-kahie izao, antontam-penina izatsy, filirony etsetra etsetra manatavy ny mpivarotra «fournitures».

Misy milaza hoe «circulation des richesses» sy «ingénierie sociale» ny famadihana. Sady fanatevenana ny fihavanana no miteraka harena, hono. Ny hita aloha dia ny fihafiana mba hanilihina tahiry, raha tsy ny fidirana trosa.

Efa taona maromaro no fantatra fa misy ireo mpianatra miala an-daharana, tsy mamonjy sekoly intsony, noho ny fahasahiranan’ny raiamendreniny. Tsy takatra ny saram-pianarana na dia ambara etsy sy eroa aza fa zo ny fampianarana maimaim-poana. Tsy zaka rahateo ny vidin’ny «fournitures». Dia indreny misy tsara sitrapo manangona «fournitures» ho zaraina. Hatramin’ny sakafo antoandro any amin’ny «cantine» dia mba efa antony iray handresen-dahatra ny Raiamandreny handrotsaka ny zanany an-tsekoly. Izany ary, eto Antananarivo-Renivohitra, mainka any ambanivohitra rehetra any.

Farany teo, nampalahelo ilay raim-pianakaviana tratra nangalatra kahie hianaran-janany. Asa, ahoana ny mason-janany nahita ny fihetsiky ny rainy, indrindra fa matim-bono sy nifona imasom-bahoaka ilay Rangahy.

Mahita vola hanaovana lanonam-panokafana ny Lalaon’ny Nosy, fa tsy misy sora-bola ny Fanjakana hiantohana ny kitapon’ny mpianatra, ny kahie, ny fanoratana, ny ronona mafana eran’ny kapoaka isa-maraina ary ny sakafo antoandro any an-tsekoly. Ny Fanabeazana sy ny Fampianarana anefa no antoky ny ho avin’ity firenena ity.

VANF

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT