kolontsaina

TENY GASY Indiana-Hindò, Pakistana-Silamo : Karana samy hafa


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Karana no lasa Praiministra any Great-Britain. Rishi Sunak, mpandala ny fivavahana hindoisma, ary nanao fianianana tamin’ny bokin’ny Bhagvad Gita, fa tsy tamin’ny Baiboly tahaka ireo Praiministra rehetra nialoha azy, izay Kristiana avokoa.

Nivadika tokoa ny rasa : «Ex-India company set to run Britain», hoy ny lohatenin’ny gazety indiana iray. Ilay India, nozanahan’ny Britanika tamin’ny alalan’ny «East Indian Company», no lasa hitantana an’i Britaina. Ohatran’ny hoe Gasy am-pielezana no lasa Filohan’ny Repoblika frantsay.

Misy faly amin’izao hoe «fahalalan-tsain’ny Britanika» izao. Misy koa tsy faly noho ny fahaverezan’ny hasin’ny Teratany-Tompontany. Raha oharina ihany : firy no hanaiky hoe Karana no lasa Filohan’ny Repoblika eto Madagasikara ?

Vao tamin’ny volana septambra 2022, taorian’ny lalao crickett nifanandrinan’India sy Pakistan, tany amin’ny lalaon’ny Asia, dia notafihin’ny Paki-Silamo ny Indiana-Hindò tany amin’ny tanàna anglisy Leicester (isika miteny izao, misy lalao hafa indray, any Aostralia, tafiditra amin’ny tompon-daka eran-tany amin’ny crickett : aza izay ho tohiny, 15000 kilometatra avy eo, any Angletera). Ho antsika Malagasy, Indiana-Hindò sy Pakistana-Silamo izany, samy Karana. Fa izy samy izy, mahalala tsara ny faha samy hafany.

Misy gazety indiana hafa, manontany hoe : «Faly isika fa Indiana no voatendry ho Praiministra any Britain, mitehaka isika noho ny hoe fahalalan-tsaina. Saingy, azo heverina akory ve Silamo no hitondra an’India ?». Azo avadika antefa amin’ny Pakistana ihany koa io fanontaniana io : «Azo heverina akory ve Hindò no hitondra an’i Pakistana ?»

Tsia avy hatrany no valin’ireo fanontaniana roa ireo. Tany tokana nozarain’ny fivavahana samy naka ny azy ireo, nifamono ho faty tamin’ny taona 1947, nivakisany ho firenena mifanolo-bodi-rindrina saingy mifankahala.

Mihambo ny maha Hindò azy Rishi Sunak, Praiministra britanika. Rehefa noisain’ny BBC ny teny hoe «hindò» tao amin’ny lahatsoratry ny gazety «Times of India», gazety lehibe indrindra any India, dia niverina indimy. Ny sokajy eken’ny firenena indiana hoe «PIO» (People of Indian Origin) dia manilika avy hatrany izay mizaka zom-pirenena Pakistana. Ny Karana eto Madagasikara, izay misy Hindò, misy Silamo, dia atambatra indraindray amin’ny hoe «Indo-Pakistanais». Manafangaro vahoaka tsy mitovy ihany isika Gasy ireto.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT