TENY GASY

Ikotofetsy sy Imahakà mandrak’ankehitriny


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2023

Fifandrifin-javatra. Zoma ny Profesora Ranjeva Raymond nanatsidika ny resaka

Ikotofetsy sy Imahakà», nandritra ny kabariny tamin’ny fankalazàna ny faha-roapolo taonan’ny CEDS (Centre d’Études Diplomatiques et Stratégiques). Ny sabotsy, ny tarika Iraimbilanja nisafidy ny hira «Ikotofetsy sy Imahakà» tamin’ireo santionany nanaovany rindran-kira.

Indray andro tsena
tsena fararano
no nanomboka ny angano

Angady amidy mora
angady tanimanga
nolokoina manja

Voronala
takalo tsy misy hala
amin’ny angady iray

Takalo vita ho azy
dia samy naka ny azy

Nosokafana fa maika
hay va re ka goaika
nikopaka dia nandao
Natsatoka ny angady
tapaka sahady

Io fifamitahana, narahina hehy nifamelan-keloka, io no nampisakaiza an’Ikotofetsy sy Imahakà. Nanomboka teo dia navondron’izy roalahy ny fahakingany mametsifetsy sy mamitapitaka amin’ny lainga tsara lahatra. Angano maromaro no nitantara ny fahavoazan’ireo nanongilan-tsofina ka voan’ny raikiraiky.

Iza no tsy mahay ny tantaran’Ikotofetsy sy Imahakà : tsy mba fampiasana ati-doha amin’ny tsara no tafampita taranaka nifandimby fa dia «fika» teti-dratsy. Efa nisy iray tamintsika ve nalahelo ireo olona voafitaka, teo am-pamakiana na am-pihainoina ny anganon’Ikotofetsy sy Imahakà ? Tsia. Angamba ary isika nihomehy sady naneso. Izany tokoa angamba isika...

Tany any amin’ny «Namaza House», Itaosy, no nahitako an-dry Iraimbilanja farany. Tsy efa dimiambiroapolo taona lasa ? Feno efapolo taona ny tarika ankehitriny ary somary nahagaga ny nangalan’ireo tanora Rotaract «Amontana» sy «Hina», mbola tsy nisy teraka tamin’izany fotoana izany, ny tarika Iraimbilanja hanampy azy ireo hanangom-bola hanampiana zaza jamba sy sahirana ara-pahitana any Moramanga.

Tsetsatsetra tsy aritra : hita ao amin’io hira «Ikotofetsy sy Imahakà» io ny fomba fiteny hoe «iray sy valo». Ry Iraimbilanja ve no namorona azy ?

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT