TENY GASY

Holatry ny lasa


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Ireto sombin-dahatsoratra ireto, efa ampolo taona lasa anefa dia mbola sahaza ny anio ary mampanahy ny amin’ny ho ampitso.

Taona 2023 fa toa 2018, sa 2009, na 2002, rehefa tsy 1991. Ankoatra ilay «razambe», 13 mey 1972. Raha ny satrisatry fitondram-panjakana, teo amin’ny mpitondra nifandimby, tsy atao mahagaga, na dia mampalahelo aza, ny fiverenan’ny krizy politika. Misy toe-tsaina raiki-tampisaka sy fomba ratsy zary fanao mifampila kisa.

Dia ny omaly tsy niova e. Misavasava ny raviny eto aho, dia sendra nahita faka iray. «Mamalan-kira» fota-mandry tamin’ny 7 jona 2004 no fohazina etoana. «Jerem-potsiny» ny lohateny tamin’izany. «Mitazam-potsiny» kosa ankehitriny, na ny vahoaka lany aiky amin’ny sangy ratsin’ny mpanao politika, na ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ozona toa mahazo an’i Madagasikara. Ny firenena manodidina antsika, mandroso, mivoatra, mahazo vahana. Isika kosa tompon-dakan’ny rotaka, manao ariary zato mandry ambony «bois de rose», «mines», «pétrole».
Ndrematoa olon-kendry, Ndrenaivo mamy hoditra, Faralahy tiam-bahoaka : izany hono no hoe tsy very telo. Toa tsy tazana, na dia iray amin’izy telolahy ireo aza, niserana hanoro hevitra tato ho ato. Dia ny atao no hiverina ka sanatria lasa lala-masaka tsy maintsy hizoran’ny fitondrana eto Madagasikara. Saingy lala-masaka ho tevana ka tsy maintsy sanatriavina, na dia ho fahalalam-pomba fotsiny ihany aza. Atao ahoana anefa no tsy ho kely finoana raha ny hagaigena omaly no mbola hanaram-po ankehitriny ? (lahatsoratra, 07.06.2004, 30.03.2011, Mitazam-potsiny...)

Ny antsika moa soratra no mba basy, ary teny no hany bala. «Ny tabataban’ny basy, tsentsemo hangiana, ny rano no avelao hikoriana, ny ratsy nitafiana, soloy fitia» : hiran-dry Mahaleo izany, saingy mbola misy mihaino ve ? Na ho inona na ho inona no vokatr’izao balan’ny fananarana izao, ho tsaroan’ny Tantara isika fa niezaka nandravona, nikasa hampihavana, nikiry nampifampandefitra. Tsaroana, hay mazava, voasoratra, tamin’ny firy marina ary taiza ny poa-basy voalohany. Ankamantatra kosa ny ho isan’ny maty sy ny tontalin’ny maratra ary any an-kibon’ny omby, ny andro sy oran’ny poa-basy farany. Ny balan’ny fananarana ihany no tsy manam-pahataperana : leo, leo, leo... (lahatsoratra, 21.05.2010, Tsy lany balan’ny fananarana).

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT