kolontsaina

TENY GASY Heloka sy habibiana tsy misy fanamelohana ho faty


  • Zoma 10 Jona 2022

Olombelona tahaka ny inona no feno habibiana namono nahafaty an’i Rakotoarisoa Henri, 70 taona, izay fantatra tamin’ny fiarovany ny ala misy mitrandraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna.

Olona any an-toerana, faritr’i Moramanga, hono no nitolo-batana rehefa avy nahavanon-doza.

Efa ampolo taona maro no misy mitrandraka, sady tsy am-piheverana no tsy ara-dalàna, ny ala maro manerana an’i Madagasikara. Fanapotehana ny ala, izay miendrika famadihan-tanindrazana. Heloka bevava hampitondra faisana ny taranaka fara aman-dimby.

Martioran’ny fiarovana ny ala aloha Itompokolahy. Saingy, hampiova inona loatra moa izany, manoloana ny zava-misy tsy takona afenina : ny kabary no betsaka fa ny tevy ala, ny tavy, ny fanaovana saribô, mitohy isan’andro mandavantaona. Efa nisy mpamotika ny ala voasazy henjana ve ? Efa nisy mpanakarama ireny mpanapaka hazo ireny ve voaheloka mafy ?

Raha ny habibiana namonoana an’Itompokolahy, raha ny heloka amin’ny zava-boahary, raha ny endrika famadihan-tanindrazana amin’izao haha-tany karakaina ny Nosy manontolo izao, iza no sahy hangataka fanamelohana ho faty ?

Nofoanan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 2015 ny fanamelohana ho faty. Hisy Filan-kevitry ny Ministra sahy hamoaka Didy Hitsivolana hamerina ho lalàna velona ny fanamelohana ho faty ve ? Hisy depiote sahy hijoro hitaky ny famerenana ny fanamelohana ho faty ve ?

Fiarovana ny zon’olombelona hono no nanafoanana ny fanamelohana ho faty. Fa tsy zon’olombelona ny ain’Itompokolahy ? Tsy zon’olombelona ny soa sesehena azo amin’ny ala sy ny zava-boahary ? Tsy zon’olombelona ny taranaka fara aman-dimby tsy hanana hanin-ko hanina satria lasa tany efitra i Madagasikara ?

Izay firenena, na vondrom-pirenena, mpamatsy vola ny Fitondrana no nampanafoana ny fanamelohana ho faty. Rahoviana no mba hisy Mpitondra eto ka sahy hanazava amin’ireny Vahiny ireny, fa misy karazan’olona tsy mendrika intsony ho velona noho ny habibiana vitany amin’ny fiaraha-monina, ka sady mandany vola ny miompy azy any am-ponja, no mbola ho loza mihantona noho ny kolikoly sy ny tsikombakomba iaraha mahalala eto Madagasikara.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT