kolontsaina

TENY GASY Hay, sady Filohan’ny Repoblika no Ben’ny Tanàn’Antananarivo ?


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Ny fitsabahan’ny Filohan’ny Repoblika, manakorontana ny fandaminana ezahin’ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo apetraka, dia endriky ny tsy fisian’ny Fitsinjarampahefana eto Madagasikara.

Nasaina niala ny arabe antsoina hoe «Petite Vitesse» manolotra ny lalamby etsy Analakely-Tsaralalàna ireo mpivarotra amoron-dalana, izay efa nanomanana toerana hivarotany. Tampoka, satria hoe «fety», dia indro ny teny midina avy any amin’ny Filohan’ny Repoblika mandiso ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo.

Tsy vao voalohany no isian’ny toe-javatra tahaka izao. Izay Filoha nifandimby teo dia nalaim-panahy hikopaka afo na hanisy sira na hanapo-drano izay nahandron’Antananarivo-Renivohitra. Resaka fotsiny ny hoe Fitsinjaram-pahefana : soa fa Antananarivo-Renivohitra no iharan’izao, ho hitam-poko hitam-pirenena, satria azo an-tsaina ny mety manjo ireo Tanàna hafa any an-tany lavitra Andriana : fahefana anarany fotsiny satria sady tsy omena fitaovana no atao fahirano ara-bola, ary salovanina andraikitra sy iadiam-boninahitra.

Fiheverana diso hatramin’izay ny hoe mivangongo eto Antananarivo ny fahefana rehetra. Miharihary izao fa tsy eto Antananarivo-Renivohitra no mivangongo ny inona, ankoatra ny olona tonga mirohotra avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, fa eny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina ary Iavoloha no «fanongoavam-pahefana».

Efa notsoahina tamin’Antananarivo-Renivohitra ny fiadidiana ny Fokontany, izay ambaratonga fototra eto amin’ny Tanàna anefa. Samy miandry rahoviana no sady Filohan’ny Repoblika no Sefo Fokontany.

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT