kolontsaina

TENY GASY Havako izay manangana sekoly sy manavao tranomboky


  • Talata 10 Oktobra 2023

Namaly am-panajana ny fanasana am-pitiavana nalefan’i Naina Andriantsitohaina aho, hanotrona azy hitokana ny

Tranombokin’ny Tanàn’Antananarivo, vita fanavaozana. Tsy vitan’ny fanavaozana fotsiny kosa anefa fa tena fanatsarana lehibe, manome endrika vaovao ny trano ary hasina manokana ny Kolontsaina.

Na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika, ny fitiavana an’Antananarivo kosa azo heverina fa hampiray fo mandrakariva. Isan’ny famerenana ny hasin’Antananarivo ny fanomezana Fampianarana sy Kolontsaina ho an’ireo mponina eto an-dRenivohitra. Ankoatra ny «Bibliothèque municipale» mantsy dia mbola misy Tranomboky efatrambinifolo hafa napetraka manerana an’Antananarivo-Renivohitra. Izay manangana sekoly, izay manavao tranomboky, dia havako.

Zava-dehibe loatra ny famerenana amin’ny hasiny ny Tranomboky manan-tantara tahaka ny «Bibliothèque municipale» etsy Analakely. Ireo efa somary nahazo taona, samy nahatsiaro, somary nitsetsetra, ny andro fahiny, nandalovana saika isan’andro tao amin’izany «Bibliothèque municipale» izany, hamakiana ireo «bandes dessinées» tsy takatry ny vola. Nialoha lavitra ny CCAC (Centre Culturel Albert Camus), dia tao no loharanom-pahalalana sy varavarankely nanitaran-tsaina amin’ny tontolo andafin’ny riaka.

Rehefa nohasarotina ny fanafarana ireo boky vahiny (anefa tsy nampiana ny fanontam-boky teto an-toerana), dia very laka ny tranomboky niankina tamin’ny Fanjakana sy ny rantsamangaikany. Tany amin’ny telopolo taona lasa, nilahatra tamin’iny lalana Andohananalakely (avenue de la Libération) hatreny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena (avenue de l’Indépendance) iny, nisy «kiosque» nivarotra ny «journal officiel», ny «Bibliothèque municipale», ny «Libraire mixte», ny «Librairie de Madagascar». Tsy tsaroako loatra intsony, fa toa nifanindran-dalana tamin’ireny, ny fahazoam-bahan’ireo mpivaro-boky teny amin’ny tohatohabaton’Ambondrona izay niitatra hatraty amin’ny «Sept Prix» sy «Itokiana» sinoa. Taty aoriandriana, fony Razanamasy Ben’ny Tanàna, no nanokanana ho an’ny boky ny tetsy Ambohijatovo.

Somary tantara, tena fahatsiarovana. Mbola somary vitsy, isaina amin’ny tanana, ny boky amin’ny teny gasy ao amin’ny «Bibliothèque municipale», Tranombokin’Antananarivo. Mety ho sarotra ny hanolotra ny tahirin’ny tena, boky nangonina sy niondanana nandritra ny dimamplo taona, tahaka izay nataon-dRtoa Rabearimanana Lucile amin’ny anaran’Itompokolahy Rabearimanana Gabriel vadiny. Efa mitombo isa kosa anefa ankehitriny ny famoaham-boky amin’ny teny malagasy, mampahatsiaro ny fientanam-po tamin’ny andron-dry Dama-Ntsoha sy Josefa Rakotonirainy. Manentana sady manantena ireo izay afaka hanatevina ny boky, loharanom-pahalalana sy varavarakelin-tsaina ho an’ny taranaka malagasy mba tsy hihinana amam-bolony ho ambakain’ny ratsy fanahy.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT