kolontsaina

TENY GASY Handimby izay handimby saro-diasana


  • Alarobia 14 Septambra 2022

«Handimby ise, handimby an’io». Izany, hono, no nambaran’ny manodidina azy an’Andriamanjato Richard (1930-2013),

raha izy hisolo toerana ny Pastora Ravelojaona (1879-1956) tao amin’ny FJKM Ambohitantely, ny taona 1958.

Notokanana ho mpitandrina tao Ambohitantely tamin’ny 1908 i Pastora Ravelojaona, ary tompon-toerana hatramin’ny 1956. Tsy izany ihany fa olon’ny gazety an-tsoratra nalaza tamin’ny fotoan’androny : ny Teny Soa (1907-1915), Ny Mpamafy (1911-1915), Ny Mpandinika (1923-1930), Ny Mpanolo-Tsaina (1927-1929), Ny Fiainana (1928-). Izy Ravelojaona sy Rajonah Gabriel no vy nahitana sady angady nananana ny «Firaketana», ilay ensyklôpedia (tsy hitako izay teny gasy mahadika tsara an’io ka hay avy hatrany ny dikany) mitantara «ny fiteny sy ny zavatra malagasy».

Izany lehilahy izany no ndeha hodimbiasan’Andriamanjato Richard, ka izay no nahavaky vava ny olona. Dimampolo taona taty aoriana, tonga fanta-daza tahaka izany ihany koa teto amin’ny firenena Andriamanjato Richard : Fiangonana Ambohitantely, Tanàn’Antananarivo, antoko AKFM... Ka, raha tonga ny taona 2008, hialan’Andriamanjato tsy ho mpitandrina, dia naveriny tamin’i Pastora Rakotonavalona Maholy handimby azy io teny io : «Handimby ise !».

Handimby mihitsy ihany koa i Charles III, hanitsaka ny diam-paladia navelan-dreniny, Elisabeth II, izay vao nodimandry (1926-2022). Mpanjakavavy fanta-daza maneran-tany, nanana fitopolo taona ngarangidina nametrahana ny anarany sy ny sariny. Fitopolo taona tsy nahitana pentina, fitopolo taona tsy nanan-tsiny, fitopolo taona tsy nisy tomika. Maty toa renitantely ka mamela mamy, dia izao tsarotsaroan’ny vahoaka britanika manontolo izao.

Teloambifitopolo taona i Charles III izao voahosotra ho Mpanjaka izao. Efa zokinjokiny ihany. Na inona na inona fiheverana am-panajana, nilaozany andamosiny kokoa ny fiainany fa tsy manoloana azy firy intsony. Handimby saro-diasana tokoa izy, heverina ho «Fanjakana tetezamita» ihany, mandra-piandry ny zanany lahimatoa. Izay ilay fiainana.

VANF

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT