kolontsaina

TENY GASY Hajao, hono, ny Lalampanorenana : izay lazainy, tsy ataony


  • Talata 09 Mey 2023

Mianiana fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana»... Ramatoa Razanamahasoa,

Filohan’ny Antenimieram-pirenena, dia nanambara farany teo hoe «Hajao izay voalazan’ny Lalampanorenana». Marina tokoa izany, raha tena izany tokoa...

Saingy, tsy izany tokoa loatra. Rehefa inona no «hajao ny Lalampanorenana» ary rehefa inona no afaka tsy dia hajaina loatra ny Lalampanorenana ? Isan’ny tsy fanajana goavana indrindra ny Lalampanorenana dia ny nanendrena Governora. Raha ny Lalampanorenana mantsy dia tsy ahitana izany Governora izany.

Andininy 143.- Ny Kaominina, ny Faritra ary ny Faritany no Vondrombahoakam-paritra
Itsinjaram-pahefana eto amin’ny Repoblika.

Andininy 151.- Ao amin’ny kaominina, ny asa mpanatanteraka sy mpanapakevitra dia
sahanin’ny rantsa-mangaika miavaka sy nofidina tamin’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra
anjara mivantana.

Andininy 154.- Ny asan’ny mpanatanteraka dia sahanin’ny rantsa-mangaika tarihin’ny
Lehiben’ny Faritra izay olom-boafidy amin’ny alalan’ny latsabato andraisan’ny rehetra anjara.

Andininy 158.- Ny asan’ny mpanatanteraka dia sahanin’ny rantsa-mangaika tarihin’ny
Lehiben’ny Faritany izay olom-boafidy amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara.

Ireo Governora notendrena tamin’ny 25 septambra 2019 dia noho ny andininy faha-10 amin’ny Didim-panjakana 2019-1866 : «Jusqu’à la mise en place des personnalités élues, le Gouverneur est nommé par décret pris en Conseil des Ministres». Efa-taona aty aoriana, mbola tsy misy eritreritra hikarakara ny fifidianana Filohan’ny Faritra sy Filohan’ny Faritany.

Hiroso fifidianana Filoham-pirenena, raha ny tokony ho izy : tsy olom-boafidy, izay tsy voatery ho olon’ny fitondrana am-perinasa ka antenaina ho mahaleo tena, no mitantana ny Faritra. Demokrasia inona moa izany no omanina sy antenaina amin’izany ? Manginy fotsiny ilay hoe «Hajao izay voalazan’ny Lalampanorenana» : inona no sazy amin’ny tsy fanajana ny Lalampanorenana ?

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT