kolontsaina

TENY GASY Haintenin’ny Ntaolo


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Raiko aza Ramasoandro Reniko aza Ravolana Vahoakako aza ny kintana Basiko aza ny varatra (H)ianao no vazo tiako

Tantara vita ho azy ny Haintenin’ny Ntaolo sy ireo anarana voatefi-mirindra, teny tokana mahalaza betsaka. Matetika moa dia ny dingan’ny fifankatiavana no ambetin-dresaka ka dia voahosotra anarana mahatsikaiky aloha ny lahy (Randriatongatsinafarana, Randriamatoamatetipihavitoatompony) raha voadokadoka kosa ny vavy (Rasoahagohago, Rabarimasomanafatra).

Fony mbola mifampizaha, Randriambola sy Randriambarahina ny lahy, Ramielovola na Ramielovoahangy ny vavy. Tany mbola mifandefitra, volon-kotona Andriamatoa raha ravim-bero Ramatoa.

Anarana zary sata, sa toetra mby anarana : Ramisimanana, Ramanantiana, Bevolamikorintsana ? Anarana tokana ihany koa dia efa mahafehy ny tantara : Rafaraelanandeferana ny vavy, rehefa Randriamatoahavanaihavanolona ny lahy sy ny fitiavany toa tsimpontsimponina.

Mandalo anefa ny andro, nifandimby hatrany ny volana, nivalona tokoa ny taona : Randriamatoamatetipihavitoatompony somary nakoraina taloha nanjary Andriamatoamahalampihavitoahena ankehitriny.

Mety Rasoamahalefitra, saingy hatramin’ny oviana, Ramatoasarotrafoitoinivary nangolaina hoe Rasoahanitriniala fahiny ? Rehefa ho voatonona ho Rasoafitohatsarantarehy, zana-Rafotsibevalohery ny vavy, efa ho avy ny filana kisa : Rakototaninavona ny lahy, Raharompitososona ny vavy.

Hianao Rasoahagohago
Izaho Ramitandrohenatra
Hianao Ratsimahasoronafo
Izaho Ratsimahazokitay
Hianao Ratsimahatsakarano
Izaho Ratsimahatotovary

Mpivady tsy mifankatia e, ho mpianadahy mifanaja.

VANF

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT