kolontsaina

TENY GASY Gasy mamita-tena imason’ny Vahiny


  • Zoma 26 Mey 2023

Fombantsika efa hatramin’ny andron’ny Ntaolo ny manome toerana mihaja izay vahiny miantrano ary mampandroso azy eo «avara-patana».

Taty aoriana, rehefa noefitreferina ny trano sady notovonana rihana, dia nanjary nisy ny hoe «efitra fandraisam-bahiny». Efitra tsy dia falehan’ny tompontrano matetika, mety mihidy mihitsy aza mba tsy haloto na hikorontana. Sady fanajana ny vahiny no «tsara velatsihy» ara-bakiteny ka izay mendrika indrindra amin’ny tokantrano ihany no aseho.

Somebiseby be ihany isaky ny tonga vahiny. Fitokanana atsy, fitokanana aroa, fitokanana omaly, fitokanana androany, fitokanana rahampitso. Izay lalana velona «marquages au sol» ihany no lalovana. Izay tranom-panjakana talaky maso ka vao vita loko ihany no aranty. Fomban-javatra mampitsiky tsy ravo ny vahoaka, mety hampihomehy anakampo ny mpanao gazety nafarana, saingy mifamahan-dalitra moa no lahasa.

Tany Rosia taloha, fony Catherine II no Mpanjakavavy, dia nalaza ny hoe «Villages Potemkine». Raha nitety ny Fanjakany hono Catherine II, tamin’ny taona 1787, dia hoe nanangana «Tanàna Baoritra» tsara tarehy manemitra ny lalana lalovan’ny Mpanjaka hono ny Printsy Potemkine, mba hanakonana ny tambanivohitra fadiranovana. Teraka tamin’ny taona 1797 io fiteny maneso io, ary nahazo vahana ka lasa ohabolana mihitsy ilazana ny fitaka fanaon’ny Mpanolo-Tsaina sy ny Tandapa.

Vonjy tavan’andro mandavantaona. Akisaho ny quatmi fa mahamenatra. Asaivo manalavitra any aloha ny mpitarika sarety sy ny mpantsaka rano amin’ny kalesa ary ny mpiloloha gony saribô. Totototofy vetivety aloha ny lavaka amin’ny lalana. Sambory izay Gasy mivalan-drano mitodika indrindra amin’ny arabe, moa va tsy alika.

Isaky ny mandalo ny vahiny, ataovy matevina ny tampi-maso ary hidio antrano avokoa izay mety hahamenatra imason’izao tontolo izao, sao izay zava-misy tsy ampoizina indrindra no voatantara any fa tsy ilay «Potemkine» famitahan-tena. Mbay, mbay, mbay !

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT