kolontsaina

TENY GASY Fokontany anaty vahohon’ny Fanjakana foibe


  • Alakamisy 04 Mey 2023

Tamin’ny mbola kely dia tsara anatra tsy hiakanjo maitso sy mena : «Koa raha tsy Pisodia !». Dia tonga indray ny mena, lokon’ny vehivavy Arema.

Taty aoriandriana, ny «kiravato manga» lasa tsy fidiny an’ny HVM. Ankehitriny, ny loko «orange» akanjon-dry zareo manohana ity fitondrana ity. Sefo Fokontany aza, salorana «orange» sady vatsiana bisikileta, anaty taom-pifidianana.

Ny Fokontany ve no tana-tohatra ifoton’ny Fitsinjaram-pahefana sa vanindrantsana farany indrindra amin’ny Foibe, toa felatana-mangaika ny fahefana isan-tokony sy isam-paritra ? Raha ny eto Antananarivo-Renivohitra ohatra, dia ambetin-teny ny hoe «Fokontany 192», roambisivifoloambizato. Saingy anaty vahohon’ny Ministeran’ny Ati-Tany ireny Fokontany ireny, raha teo aloha ambany fiahian’ny Tanànan’Antananarivo. Jereo fotsiny ny «Taratasy fanamarinam-ponenana»...

Mianotra indroa vao mandroso indray mandeha ny fisintahan’ny Fanjakana foibe, tsy hanalokaloka ary tsy hitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny antsoina hoe «Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana». Antananarivo-Renivohitra, ohatra ihany, dia mody noravahana «Sata manokana», saingy sata haingon-trano, poakaty. Angady nomondroina, ketsa tsy mahafehy tena : vola tsy am-pelatanana, tompony mangataka atiny na dia amin’ny fananana eo an-tokotaniny aza : Rovan’Antananarivo, kianjan’i Mahamasina, lalana mamakivaky ny tanàna...

Tsetsatsetra tsy aritra : Ny sekoly sy tranom-panjakana ity, voalokoloko IEM. Handany vola ohatrinona indray hamerina ireny amin’ny laoniny : tsy tokony savihin’itsy na iroa mantsy ireny satria an’ny Res-Poblika.

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT