kolontsaina

TENY GASY Fitaizana amin’ny soa fianatra


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Imoron-tevana hivarina mihitsy ny firenena. Maro ny antony voatanisa (krizy ara-toe-karena, fahantrana isan-tokantrano, «fanjakan’ny madinika», sns)

fa ny tena fahalovana dia ny nanaovana tsinontsinona ny «Fitaizana Olom-pirenena» efa ho 50 taona izao. Samy resy lahatra fa ny famerenana izany Fitaizana izany ifotony, amin’ny zaza madinika isam-pianakaviana sy any an-tsekoly, no hany hivoahan’i Madagasikara amin’izao hady mandifotr’olona izao.

Mizara Loha-hevitra maro izany «Fitaizana Olom-pirenena» izany. #Tany #Teny #Tantara. Fomba. Faritra. Madagasikara. Olona. Nta-Olo. Asa. Fambolena. Fiompiana. Sakafo. Varotra. Indostria. Tany. Tontolo. Biby. Zavaboary. Fiaraha-monina. Didy aman-dalàna.

Boky maro sahaza ny isan-taonam-pampianarana vao mahenika izany. Ny androany, taridresaka tokana no arosoko ho ohatra. Ny «Fiandrianampirenena» : Madagasikara imason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, Madagasikara imason’ny vahoaka Malagasy, «Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara» arak’ilay hiran’i Ludger Andrianjaka. Faharoa azo heverina manaraka : «Fiaraha-Monina» : ny fahafahanao tsy hanelingelina ny fahafahan’ny hafa, ny fahafahana miteraka andraikitra, ny fahafahana ananana adidy.

Raha izaho tokoa no mampiana-janaka, tahaka izao ohatra no tiako ho saininy, heveriny, ho fakafakainy, hiainany, hampitainy.

Lohahevitra Ampianarina : FIANDRIANAMPIRENENA

Toko 1 : Firenena sy Olom-pirenena (#Tany_Teny_Tantara)

Toko 2 : Vanim-potoana Fiverenan’ny Fahaleovantena (23 jona 1956 : Loi-Cadre, 14 oktobra 1958 : Repoblika, 26 jona 1960 : Fahaleovantena)

Toko 3 : Vanim-potoana Fanoherana ny Fanjanahantany (Menalamba, VVS, MDRM, Dien Bien Phu, Bandung,...)

Toko 4 : Madagasikara talohan’ny Fanjanahantany (23 oktobra 1817, 30 septambra 1895, 6 aogositra 1896)

VANF

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT