TENY GASY

Fiaraha-monin’ny ahiahy tsy ihavanana


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Manenina tongotra aman-tanana ireo tsara sitrapo natao fitaovana hanonganana an-dRavalomanana tamin’ny 2009.

Ireo hafa matihanina nahita tombontsoa tamin’iny hoe «tolona» iny ihany no migoka ny tambin’ny vola napetrany tamin’ireny, mandrak’ankehitriny. Rehefa novonoina, ohatra, ny orinasa Tiko : iza no nahazo tombony lasa mpanangona ny ronono, mpanao yaourt sy dibera ary frômazy ?

Ary ireo nampanaovina ny hetsika tamin’ny 2018, niafara tamin’ny fanilihina an-dRajaonarimampianina, mba aiza izao izy ireny ? Ahoana ny fahitany ny fahapotehan’ny Vakoka tao anatin’izay dimy taona farany izay ? Ahoana ny heviny nahita ireto lalam-pirenena (ka hoe tsy azo hanina moa ny lalana ?), manerana ny Nosy, navela ho lavaka sy fotaka an-taona maro dia roa volana mialoha ny fifidianana vao misy 100 kilometatra atao fitokanana «manara-penitra», kifetifety andavanandro amin’ny volam-bahoaka, araka ny efa mahazatra ? Ary ny «délestage» nandavantaona nahavitana fahagagana tampoka nandritra ny Lalaon’ny Nosy, ny rano tsy mitete intsony akory amin’ny faritra maro, eny fa na dia eto Antananarivo-Renivohitra aza ? Andrenesam-peo ve izy ireny amin’ity zom-pirenena vahiny nangatahina ity anefa ny tena mikasa ho Filohan’i Madagasikara ? Mba tafintohina ve ry zareo amin’ny filalaovana faramparany ny Lalam-panorenena, ka nampitsoahana an-daharana ny Filohan’ny Antenimierandoholona ?

Iza no mbola matoky ny voka-pifidianana ho avy raha ny HCC antenain-kanirina no tsy manan-kambara, mitampi-maso sady marenin-tsofina ? Mahatoky ve ny fandaminana isan’ambaratonga, nanomboka tany amin’ny fanisana ny mpifidy sy ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ? Rehefa tsy narahina ara-bakiteny, ary indrindra am-pahatsorana, ny Lalam-panorenana, ahoana moa ahatokisana fa tsy ho atao kilalao avokoa ny andininy samihafa amin’ny didy aman-dalàna hafa rehetra, ka ho fifidianana sarintsariny sisa no ho atrehina ?

Be loatra ny indro kely. Efa isan’andro ny fanafintohinana tsy misy henamaso intsony. Fiaraha-monina inona moa no ho ajoro amin’izany ahiahy tsy ihavanana izany ?

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT