kolontsaina

TENY GASY Fanapariahana atao ahoana, mba ho Fampandrosoam-paritra tokoa


  • Alarobia 07 Jona 2023

Ho resaka hifandroritana ato ho ato indray ny fananganana Faritra vaovao. Ny tena resaka, tsy dia hoe fampanatonana akaiky kokoa ny renivohi-paritra,

fa ny fanomezana fahefana (vola sy fitaovana ary olona) marina tokoa ny Faritra. Nandritra ny Repoblika Faharoa (1975-1991), tadidy fa 111 no isan’ny Fivondronana. Mihoatra noho izany ny isan’ny Distrika (tsy azoko moa maninona no nariana ilay anarana Fivondronana izay teny gasy mazava) ankehitriny. Na ho atao Faritra avokoa aza ny Fivondranana, poakaty ihany izany raha tsy tanteraka ny tena fanapariaham-pahefana.

Antananarivo-Renivohitra aza, tsy maha tapak’ahitra noho ny fiankinan-doha amin’ny Ministera samy hafa, indrindra ny Ministeran’ny Vola. Ilay antsoina hoe «Sata Manokana», lahatsoratra poakaty. Raha ny isan’ny mponina, ny toe-karena sy harin-karena, Antananarivo-Renivohitra no «Faritra» vaventy indrindra eto Madagasikara, ary ny Ben’ny Tanàna eto dia mitovy sata amin’ny Governora.

Governora ? Iaraha-mahalala fa fandikan-dalàna tsy manaja ilay Lalampanorenana (tsy nifanarahana) tamin’ny 2010, ny fanendrena ny Lehiben’ny Faritra izay tokony ho olom-boafidy. Raha mbola tahaka izany hatrany no fomban’izay Mpitondra foibe, resaka ka mba atao ilay hoe Fitsinjaram-pahefana.

Lalam-panorenana tamin’ny aprily 2007 no nametraka ny Faritra. Ny famoronana sy ny famaritana ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana dia hoe tokony mifandraika amin’ny «critères d’homogénéité géographique, économique, sociale et culturelle».

Hatramin’ny nidiranan’ny «droit administratif» fantsay teto, dia niovaova imbetsaka ny «organisation territoriale». Tamin’ny 1957 vao raikitra ireo Faritany enina amin’ny endrika ahafantarantsika azy ankehitriny. Isan’ny mampametra-panontaniana moa ny nampiraisana ho Faritany iray an’i Tolagnaro sy Toleara, na Fandriana sy Vangaindrano, na Moramanga sy Sainte-Marie...

Tsy misy tsy mahalala fa misy tany lavitr’Andriana kokoa noho ny hafa eto Madagasikara. Ilay Lalam-panorenana 2007 dia nametraka ihany koa ilay hoe «fonds spécial de solidarité» ho an’ny faritra sahirana, saingy mandrak’ity ny androany moa mbola tsy hita ihany ilay «dispositifs de péréquation» natsidiky ny andininy faha-135 tamin’izany.

Fitsinjarana, Fanapariahana, ho atao ahoana no tokony ho dinika mialoha ny hoe Faritra inona, aiza, firy.

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT