TENY GASY

Fanabeazana sy Fampianarana, kambotin’ny Repoblika nifandimby


  • Zoma 08 Septambra 2023

Taona 1994 aho no nitsidika EPP iray teny Imerintsiafindra. Taona 2009 nahita CEG iray tany Sakaraha.

Izao taona 2023 izao, nanatri-maso ny fahorian’ny EPP iray, roa, telo, eto Antananarivo-Renivohitra sy Antananarivo-Avaradrano. Fa tao anatin’ny telopolo taona, tsy mba nisy fiovana ho amin’ny tsara fa mainka aza mitambotsotra andro aman’alina ny tontolon’ny Fanabeazana.

Latsaky ny Dimialina Ariary isan-taona ny latsakemboka tena tsy maintsy ilain’ny Sekoly Fanabeazana Fototra iray, handoavana karaman’ny Mpampianatra FRAM (misy tena ampy fiofanana sy fahaizana saingy mikarama vary masaka mandra-piandry fidirana ho mpiasam-panjakana raikitra) roa sy «personnel administratif» iray. Maro anefa, ary mitombo isan-taona, ireo raiamandreny tsy mahaloa izany intsony ka misafidy ny tsy handefa ny zanany hianatra.

Raha ny tokony ho izy aloha, tokony tsy hisy, na dia Ariary aza, takiana amin’ny raiamandreny hampiana-janaka. Tsy tombontsoa ho azy irery ny fahaizan-janany sy ny fanabeazana ny taranaka, fa fototra sady andrin’ny maha firenena. Manambola amin’ny haitraitra ny Fanjakana, fa tsy manana vola hiantohana ny Fanabeazana tena maimaim-poana marina.

Ankoatra ny kojakoja (raiamandreny tsy mahavita manefa dimialina Ariary moa ve manan-ko-atokona amin’ny kahie folo ilaina mandritra ny taona ?), mba saika ho fandrisihina ny fanomezana sakafo maimaim-poana amin’ny «cantine scolaire» : fa raha iray lovia isan’olona isan-kerinandro aloha no zakan’ny Fokontany, aiza ny Ministeran’ny Fanabeazana hiantoka ronono mafana eran’ny kapoaka isaky ny ankizy isa-maraina, ary vary sy laoka ho sakafo antoandro isan’andro ho an’ny mpianatra rehetra ? Tena lafo loatra ve raha izany no antoky ny ho avin’i Madagasikara ?

Sekoly Fanabeazana Fototra isaky ny Fokontany : filamatra maha te hidera tokoa. Inona anefa izany SFF : efitra telo, misy dabilio kambana roambinifolo avy, mahazaka mpianatra sahabo ho efatrambiroapolo isaky ny lakilasy. Mpianatra zato, raha mba misy efitra iray fanampiny : firy isaky ny Fokontany anefa ny zaza Malagasy tokony hiditra an-tsekoly ary tsy tokony hiala an-daharana eny antenantenan-dalana ?

Fotoam-pifidianana. Hitantara lainga marivo tototra ny ankabeazan’ireo. Vola firifiry no ndeha ho afafy amin’ny fetifety maivan-doha. Iza no mba hahatsiaro ny Fanabeazana sy Fampianarana izay tena kambotin’ny Repoblika nifandimby ?

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT