kolontsaina

TENY GASY CENI : «Fikirakirana ara-kajimirindra araky ny rindrambaiko»


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Nofaranana vonjimaika tamin’ny 11 aprily 2023, teny anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana isaky ny distrika (CED), manerana an’i Madagasikara, ireo lisitry ny ho mpifidy (...)

Hiparitaka eny amin’ny Fokontany manerana ny nosy ireo lisitra nofaranana vonjimaika ireo, hahafahan’ny olompirenena manao fanamarinana na fitsipahana na ihany koa fangatahana fisoratana anarana. Manana roapolo (20) andro ny mpifidy amin’izany (...) Hatramin’ny 31 mey 2023 ny fahafahana misoratra anarana eny anivon’ny Fokontany».

Inona moa ilay hoe «fikirakirana ara-kajimirindra araky ny rindrambaiko nampiasaina» ? Raha mitsangana amin’ny maty ireo Ntaolo, tsy misy azony izany «teny gasy» notefitefena izany. Tsetsatsetra tena tsy aritra iny, fa dia mahagaga, ary manorisory mihitsy, satria misy diso indray ny lisitra novakiana teny amin’ny Fokontany, io 18 aprily 2023 io.

Raha voahaja ny tondro andro hoe 1 oktobra 2022 ka hatramin’ny 31 janoary 2023, dia intelo misesy, fara fahakeliny, ary efa nankaleo mihitsy ny taratasy nivezivezy, no nameno ny taratasy fanisana isan-tokantrano. Natao tamin’ny sora-baventy mba hialana amin’ny mety ho faharatsian’ny soratra tsy voakaly. Tamin’ny 16 desambra 2022 no tafaverina ny soson’ny «Takelaka Fanisana ny Mpifidy» nalefan’ny CENI. Tsy nisy diso na kely aza. Ka taiza, sy oviana, raha izany no nidiran’ny indro kely indray ?

Impiry hivezivezy eny amin’ny Fokontany moa izany ? Raha ny eto an-dRenivohitra aza, mila mamono andro vao mahita hirika handehanana any, asa any an-tany lavitra Andriana rehetra any, ahoana no hanamarinan’ny olona ny lisitra ao anatin’ny roapolo andro.

Taona 2023, teloambienimpolo taona aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, mbola mahazaka maniraka ny antontan-taratasy sesehena angatahana ombieny ombieny eto Madagasikara : sora-piankohonana, fanisam-bahoaka, lisitry ny mpifidy, maha-mpandova, etsetra, etsetra. Tamin’ny 1996 aho no nandefa voalohany ny lahatsoratro tamin’ny Internet : fitoambiroapolo taona lasa. Ankehitriny eto Madagasikara, na dia mamatsy vola tsy tapaka ny hoe fanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana aza ny «mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena», mbola an-kibon’ny omby ny informatika-biometrika-nomerika.

Taratasy alaina eny amin’ny Fokontany, mbola sora-tanana amin’ny ravin-taratasy mampalahelo : aiza no tsy hisy indro kely lalandava ny «fikirakirana ara-kajimirindra araky ny rindrambaiko».

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT