kolontsaina

TENY GASY Aleoko lambo : tsy mpiasa, tsy mpanompo, tsy mpibaby


  • Alarobia 31 Mey 2023

Roanjato sy arivo taona tany ho any no naiditra teto ny omby. Ny fandinihina ny zavamaniry sy ny fahasimban’ny ala no namantaran’ny arkeôlôgy izany.

Noho ny trafo mampiavaka azy, dia fantatra ihany koa fa «bos indicus», iray karazana amin’ny omby indiana ity lasa omby gasy ity.

Ny hoe «omby» (na ombe, aombe, añombe, anghombe) dia teny afrikana. Isan’ny fanontaniana saro-baliana amin’ny tantara dia ny anarana «lambo», izay midika hoe «omby» any Indonesia, anefa dia nampitondraina ny «kisoa dia» rehefa tonga teto Madagasikara. Noho ny tsy fisian’ny biby lehibe fanasinana ankoatra ny «kisoa dia» hoy ny soso-kevitra sasany.

Raha nompiana fotsiny fa tsy nohanina ny omby talohan-dRalambo, indrindra ka nohasinina, sao nandala ny fivavahana hindoa ny Ntaolobe fony mbola Vazimba ?

Mandran’ankehitriny moa, dia nomena toerana manokana ny omby, indrindra ny ombalahy : fanao sorona ireo manana volo miavaka (volavita, voatombo, volon-takatra), tafiditra amin’ny ohabolana ny anaram-batany (trafo, tandroka). Harena sy voninahitra ho an’ny tompony ny manana omby maro.

Heverina fa taorian’ny nidiran’ny omby vao afaka nihosy tanimbary ny olona, ka talohan’izany dia vary tomboka tsotra no natao, indrindra raha mbola vitsy ny mponina. Efa taty amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 ihany koa vao natao mpitarika sarety ny omby.

Bonaika fanao sorona (isaky ny indray mandingana, hono, ireo mpilanja ny vatam-patin-dRanavalona tamin’ny 1861, dia nadaboka ny omby iray : dia toy izany hatrany mandra-pahatonga teny amin’ny Rovan’Ambohimanga avy eny amin’ny Rovan’Antananarivo), mpiasa be mpihosy tanimbary, mpanara-baiko mitondra zioga mitarika sarety : ireo marina tokoa anie ny omby.

Anefa dia ataontsika haingo amin’ny saina, amin’ny lelavola. Izao ary moa dia anaram-bosotra amin’ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra : tsy ilay «omby resy», fa izy mbola «baria», «barea», ombimanga, omby dia.

Raha ny ahy, ny lambo, amin’ny mbola tsy maha resy azy ho kisoa fiompy sy fihinana, no omeko voninahitra : tsy mpiasa, tsy mpanompo, tsy mpibaby.

Tsetsatsetra tsy aritra : talohan’ny hoe «Ombalahi-bemaso», sao dia mba nisy ihany koa «Ralambo-bemaso» ?

VANF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT