TENY GASY

Ahiahy miteraka fanafintohinana


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Izany fifidianana izany, antenaina ho vahaolana ; eto amintsika anefa, ny fifidianana manjary filan-kisa.

Ahoana moa no tsy toy izany rehefa tsy tomombana, satria iniana atao tsirambina mihitsy, ny fanomanana rehetra mialoha. Firy taona lasa no efa nangatahana ny hanaovana «informatisation» sy «numérisation» ny fanisam-bahoaka, ny kara-panondro, ny lisi-pifidianana, ny fanisam-bato. Rehefa tsy tomombana ireo dia banga sahady ny fepetra iray lehibe : ny fahatokisana.

Atokisana ve ny fanisam-bahoaka, atokisana ve ny lisi-pifidianana ? Raha tena azo antoka, maninona tokoa no tsy atao peta-drindrina isaky ny biraom-pokontany ny lisitry ny mpifidy. Rehefa tsy tomombana ny ara-pitaovana, fara faharatsiny ny mangarahara mba manala ny ahiahy tsy ihavanana.

Iaraha-mahalala, isaky ny antoko politika, fa misy «trai-kefa» manokana ny fangalaram-bato. Misy mpiasam-panjakana mahay ny lesoky ny raharaham-panjakana ka lasa «expert» mihitsy. Rehefa tiana : hafa ny voka-pifidianana amin’ny birao, hafa ny tarehi-marika mifindrafindra tanana maro vao tonga amin’ny Ministera ny Ati-tany na any amin’ny CENI.

Manginy fotsiny ny fampiasana ny fitaovam-panjakana, ny fanararaotana ny fahefana : Région, Distrika, CISCO, etc. Resaka fotsiny ny hoe «mpanara-maso iraisam-pirenena» : raha tena nanao ny asany ireny, ho nisy ve ny hala-bato ombieny ombieny tamin’ireo fifidianana nifandimby. Izany rehetra izany no mitambatra dia tsy ahiahy intsony fa efa fanafintohinana.

VANF

 

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT