kolontsaina

TENY GASY 2023 : mampanahy raha tsisy fifampitokisana


  • Alakamisy 22 Desambra 2022

Tokony ho taom-pifidianana amin’ny 2023. Mampanahy anefa izay mety hitranga satria tsy tanteraka ilay kely fa lehibe indrindra,

dia ny fahatokisana. Efa am-polo taona no nangatahina hialana amin’ny lesoka niainana ombieny ombieny, saingy tsy misy ezaka mihitsy mametraka ilay kely fa lehibe hafa, dia ny mangarahara.

Fanisam-bahoaka, kara-panondro, lisi-pifidianana, kara-pifidianana : efa tokony ho informatika, elektronika, nomerika, avokoa. Io ihany no hisorohana ny fisian’ny velona tsy voasoratra ary ny maty manana kara-pifidianana roa. Raha vita elektronika ihany koa ny fanisam-bato isaky ny birao-pifidianana rehetra manerana ny Nosy, eo no ho eo, dia fantatra ary tsy miovaova eny an-dalana mandra-pahatonga aty Antananarivo, ny voka-pifidianana.

Misy ilay hiran’i Dadah-Mahaleo hoe «tsy misy maniry, ny voa nafafy, ho ratsy faniry». Tsy misy maniry korontana, saingy tsy mandeha amin’ny lalan’ny fametrahana ny fifampitokisana amin’ny mangarahara ny fomba fiasa ankehitriny.

Mampalahelo ny mahita an’i Madagasikara ankehitriny. Nosy lehibe indrindra amin’ny nosy rehetra aty amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasina indiana, anefa dia faraidiny indrindra, hangarian’ny Nosy Maorisy, La Réunion. Tany nianaran’ireo hitondra tany amin’ireo Nosy ireo, enimpolo taona lasa, nanjary ho mpandranto Oniversite any aminy ankehitriny.

Mba nandray firenena nanana ny hasiny sy ny hajany ihany isika, tamin’ireo Raiamandreny, saingy mahamenatra izay lova ho avelantsika ho an’ny taranaka aoriana. Fitiavan-tanindrazana, dradraina fotsiny, fa tsy misy eritreritra hanatanteraka azy. Ilay fifampitokisana ery ambony no antoka voalohany tsy mbola hampandrorona mihoatra noho izao ny firenena.

VANF


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT