TENIN'NY TANANA

Efa manana diksionera Malagasy misy voambolana 30.000 isa isika


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Nankalazaina omaly Talata 23 Septambra ny

andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin'ny tanana, ho antsika eto Madagasikara. Fantatra nandritra ny fanazavana azo teo anivon'ny Akanin'ny Marenina 67 ha na ny AKAMA fa efa manana ny diksioneran'ny tenin’ny tanana Malagasy isika izay mirakitra voambolana mihoatra ny 30.000 isa. Tena harena ho antsika Malagasy ny fananana azy io. Tsy mijanona ho an'ireo olona manana fianakaviana tsy afaka miteny fa mampiasa ny tenin'ny tanana ihany mantsy izany fa azon'ny rehetra hampiasaina mihitsy mba ho harena miafina ho azy. Ny AKAMA rahateo dia fantatra fa miezaka manome fiofanana momba ny fahaizana mampiasa sy mifehy io tenin'ny tanana io ho an'ny rehetra ao aminy. Isaky ny 3 volana no misy io fiofanana io raha ela indrindra. Tsiahivina fa ny AKAMA no hany sekoly mampianatra ireo ankizy manana olana ara-pandrenesana eto amintsika. Maro ireo mpianatra efa navoakany ary nahazo ny mari-pahaizana Bakalorea ankoatra ny fifehezana ny fanamboarana volo, ny zaitra...ho an'ny tovovavy mpianatra.
Pati
Légende : Azo hampiasaina tsara ny diksioneran'ny tenin'ny tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT