kolontsaina

Tempo Gaigy sy 3% Nampanembona ny taona 2000 teny By Pass


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Nampanembona ny taona 2000 teny amin’ny Espace MG Ambohimangakely By Pass no safidin-dry Tempo gaigy sy ry 3% ny alin’ny faran’ny taona 2022 teo.

Ny taona 2000 moa izay azo lazaina tokoa fa taona tena nampiroborobo ny fampiaraham-peo sy mandihin’ireo tovolahy anaty tarika iray na tovovavy anaty tarika iray tamin’izany fotoana izany na ilay antsoina hoe “boys band” na koa “girls band”. Azo lazaina ho lasa tsiro na “feeling” hafa ilay izy 22 taona aty aoriana nefa mbola maha te hamerina izany, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpankafy. “Réveillons des années 2000” rahateo moa no nampisalorana ny anaran’ity fety namaranana ny taona 2022 iray ity ary dia samy namerina ny hirany avy teo ny tarika 2 tonta nefa nisy fampiaraham-peo sy fifampindramana izany koa teny an-tsefatsefany teny. Ny DJ Fanou kosa no niantoka ny fanentanana tetsy amin’ny fikosehana kapila.
J. Mirija
Legende: Vao niainga, hono, ny “balance” dia efa hita ny “ambiance”
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT