Tempo gaigy

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty


  • Talata 23 Aprily 2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

raha ny fampitam-baovaon’ity tarika mpiangaly ny mozika Dance ity. Etsy amin’ny Food court Aerovillage score Talatamaty io fotoana io, hoy ny fanazavana. Ho asaina manokana ao anatin’izany ny tarika mpiangaly mozika rap tamin’izany fotoana, izay nanomboka ny taona 1998, dia ny tarika Gasta. Azo lazaina ho nisy fanavaozana mifanaraka amin’ny rivotry ny mozika ankehitriny amin’ny ankapobeny na ireo hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay toa an-dry «Ora iray tsy miverina» sy «Tianao im-piry» fa eo koa ireo taty aoriana toa an-dry «Ny saiko te ho any», «Sambatra indrindra», «Anjely mainty», «Mora tezitra» sy ny hafa maro tsy voatanisa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT