kolontsaina

Tempo Gaigy Handrotsirotsy ao amin’ny Le Zoma Antaninandro


  • Zoma 29 Aprily 2022

Na dia etsy amin’ny Le Zoma Antaninandro-Faravohitra aza no hitondra ny vazon’izy ireo amin’izao endriny ankehitrin’izao ny tarika isan’ny sangany tamin’ny fiangaliana « dance »

tamin’ny fotoan’androny na ny Tempo gaigy dia rahampitso sabotsy ry zalahy ireto no hamerina hampahatsiahy kely ireny revy niarahana fahiny ireny ao an-toerana. Handrotsirotsy ao amin’ny Le Zoma Antaninandro, araka izany, ry zalahy ireto satria dia iaraha-mahalala fa somary niditra kokoa tamina revy akostika miaraka amin’ny gitara izay izy ireo rehefa nanao fiverenana nanomboka tany amin’ny taona 2017 tany raha nitondra ny « Mety ahafaty », « Sambatra indrindra », « Vao maika mafonja » sy ny tohiny rehetra. Inoana anefa fa ho entin’izy ireo amin’izay endriny an-gitara izay ihany koa ireo hira namantarana azy ireo taloha toy ny « Ranomaso efa ritra », « Ramose tantata », « Ora iray tsy miverina » sy ry « Dokotera ».
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT