kolontsaina

Tempo gaigy & 3 Isan-jato Hiray sehatra eny Ambohimangakely


  • Zoma 30 Desambra 2022

Elaela tsy tazana sy heno ny tarika Tempo gaigy sy 3 Isan-jato ! Samy nanana ny lazany tany amin’ny taona 2000 ary mbola maro mpankafy mandraka ankehitriny. Nofinidin’ny Espace MG,

etsy Ambohimangakely By-Pass, hanafana ny lanonana ombana sakafo ho famaranana ny taona ary hitsenana ny taona vaovao 2023 ampifaliana sy anatin’ny haravoana, ny alin’ny 31 desambra ho avy izao, izy ireo. Haharitra adim-pamantaranandro 06 ny fiarahana amin’ireto tarika ireto, hoy Ramatoa Vola, mpikarakara. Samy ho vazoin’izy ireo eny an-toerana avokoa ireo sanganasa nahafantarana ny tarika Tempo Gaigy sy 3 Isan-jato. Ampahany amin’izany ny “Ramose tantanta”, “Hotsaroako foana” sy ny “Madama anie manjamanja”… Hisalotra ny kanto ary hianjaika ny meva, araka izany, ireo hiazo an’Ambohimangkely, ny alin’ny 31 desambra izao. Samy tsy hisy ho diso anjara tokoa.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT