kolontsaina

Teknôlôjian’ny famokarana horonantsary Miezaka ny tanora na dia tsy tomombana aza ny ara-pitaovana


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

no nanapa-kevitra hanangana orinasa nampitondraina izay anaran’ny “promotion” nisy anay hoe “Mendrika” izay. Kirakirainay daholo, hoy izy, na resaka sary na horonantsary na feo. Mivoatra dia mivoatra ankehitriny ny tontolon’ny famokarana horonantsary malagasy na eo amin’ny resaka kalitaona sary io na resaka fitaovana ampiasaina. Miezaka ny manome ny tsara indrindra foana. Ho anay manokana izao misy ny rakitsary na “clip vidéo” hivoaka tsy ho ela. Misy koa ny fanadihadiana mikasika orinasa, ny horonantsary malagasy, ny horonantsary fanentanana hiadiana amin’ny firongatr’ity rongony antsoina hoe Roro izay tena manimba ny tanora ity, hoy hatrany ny tenany. Ity horonantsary Roro ity dia hampisehoana ny voka-dratsin’ny fandraisana ny toy ireny sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny fiainana, hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly tekinika, Todisoa Tahiana Rakotonirina. Tanjona ny hahatonga ny tanora sy ny rehetra hiala amin’izany, hoy izy. Misy ny fidinana teny anivon’ny fiarahamonina nanaovana ny fanadihadiana, hoy ihany izy. Tena miainga amin’ny enti-manana izay eto am-pelantananay ihany izahay hatreto, hoy indray ny filoha tale jeneraly, saingy tsy manda ireo fanohanana avy any ivelany koa raha sitrak’izy ireo ny hanampy izany tanora vao misandratra sy te hanao zavatra tsara izany. Ny ara-pitaovana hatreto no tena olana. Ny tsikaritray manokana na eo aza izany dia rehefa tiana ny atao dia mipetraka tsikelikely ho azy ny maha matihanina, hoy hatrany ny tenany, ary miezaka ny tanora na dia eo aza izay tsy fahatomombanana ara-pitaovana izay raha ny teknôlôjian’ny famokarana horonantsary eto amintsika no ambara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT