kolontsaina

Teatra Tropy Jeannette Manana mpandimby i Mamy Rajaonarivelo


  • Alatsinainy 26 Novambra 2018

Tontosa omaly alahady 25 novambra tetsy amin’ny AFT “Alliance Française Andavamamba” ny hetsika Tsiahy an-kira “Souvenirs en Chansons Theatrales” natao hahatsiarovana manokana an’i Mamy Rajaonarivelo

 

 

 mpilalao fototra lehilahy andiany faha-3 tao amin’ny Tropy Jeannette mpilalao teatra Malagasy izay nodimandry tamin’ny taon-dasa 2017. Nizara roa mazava ny seho natao. Tamin’ny fizarana voalohany no nihantsan’ny Tropy Jeannette hira  8 natambatambatra avy amin’ireo piesy teatraly nalaza efa nolalaovin’izy ireo. Teo amin’ny fizarana faharoa kosa dia niangaliana hira 10 nahatsiarovana an’i Mamy Rajaonarivelo ka ny zanany Rajaonarivelo Aina Sarobidy “Kolo” no tena niangaly betsaka tamin’ireo hira nohirain-drainy fony fahavelony. Azo ambara tsy am-pisalasalana ho an’ireo nanatri-maso fa tena manana mpandimby i Mamy Rajaonarivelo. Nampihetsi-po tanteraka ny niarahan’i Kolo nihira tamin-dRajaonarivelo Lala reniny sy tamin’i Poussy anabavin-drainy. Efa mpanaraka an’i Dada hatrany tamin’ny famerenan-kira nataony aho tamin’ny mbola kely, hoy i Kolo, ary liana tamin’ny hira teatraly ka nahatonga ho azy ny sanganasan’i Dadabe Sylvestre Rajaonarivelo nohirain’i Dada Rajaonarivelo Mamy. 10 taona aho no niditra tao amin’ny “Atelier Theatre” ka vao nivoaka tamin’izany aho dia efa nanomboka niaka-tsehatra nihira. Efa  niara-nihira tamin’i Mamy aho tamin’ny taona 2017 ary tamin’io taona io ihany koa aho no niditra ao amin’ny Tropy Jeannette. 24 taona ny lehilahy ankehitriny ary anisan’ny handrafitra ny Tropy Jeannette amin’ny fankalazana ny faha-90 taonany amin’ny 2019. Nanotrona manokana an’ity hetsika ity ny filoham-boninahitry ny Tropy Jeannette, Andriambala Joseph izay hananika ny faha-94 taonany atsy ho atsy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT