kolontsaina

Teatra sy ny iray volan’ny teny Malagasy Hiantsehatra etsy Andavamamba ny Sakaizan’ny Teatra LJJR


  • Alarobia 30 Mey 2018

Amin'ity volana jona ity izay ao anatin'ny iray volana ho fanandratana ny teny Malagasy dia hiaka-tsehatra ao amin’ny Hall AFT Andavamamba ny alahady 03 jona tolakandro ny Sakaizan'ny Teatra ao amin'ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo

 

 izay  nampiofanin’i Mbato Ravaloson ny filalaovana teatra efa ho telo taona lasa izay, nanomboka tamin'ny taona 2016. Ny LOVASOA na BEL HERITAGE izay fiantsana ny tononkalo nosoratan'i Jean Joseph Rabearivelo amin'ny teny malagasy sy amin’ny teny frantsay sy teny Espaniola no holalaovina amin’izany. Entina mandravaka ny antsan-tononkalo ireo "Hiranay Omaly" izay tononkiran'i Jean Joseph Rabearivelo ny sasany amin'ireny. Eo ihany koa ny filalaovana ny  fizarana faharoa ny tantara fisehatra " Imaitsoanala ". Marihina moa fa ny Imaitsoanala no Opéra malagasy voalohany, izay Andrianary Ratianarivo no nanao ny feony. Saingy tsy Opéra no hilalaovana azy fa teatra. Ny Sakaizan'ny Teatra Malagasy sy Frantsay miaraka amin'ny antoko mpihira ao amin'ny LJJR no hanatontosa ny fampisehoana, ary ho avy ao koa hanampy azy ny maintimolalin'ny Lycée vitsivitsy mpikalo ny hiranay omaly.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT