kolontsaina

Teatra Malagasy - Tropy Jeannette Nodimandry i Mamy Rajaonarivelo mpisehatra fototra


  • Talata 22 Aogositra 2017

Nodimandry tamin’ny alahady 20 aogositra teo amin’ny faha-45 taonany i Mamy Rajaonarivelo mpisehatra fototra lehilahy tao amin’ny Tropy Jeannette, izay tropy Teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara satria niorina tamin’ny taona 1929.

Ny andiany Tropy Jeannette fahatelo B no nisy azy farany.   Zanak’i Sylvestre Rajaonarivelo, mpisehatra lehilahy fototra tao amin’ny Tropy Jeannette ihany koa tao amin’ny andiany faharoa, sy Lala Rajaonarivelo izay mpisehatra ihany koa i Mamy Rajaonarivelo. Notaizana tao amin’ny tontolon’ny teatra malagasy izy. Efa niaka-tsehatra nitana anjara madinika raha ny rainy no nitana ny anjara fototra. Rehefa nodimandry  ny rainy tamin’ny 2004 dia voatendry avy hatrany hisolo azy i Mamy nanomboka tao amin’ny Tropy Jeannette andiany fahatelo A  ka nitohy tao amin’ny Tropy Jeannette andiany fahatelo B  mandra-pahatonga ny faharariany. Ny tantara Zanaboromahery nosoratan’i Elizà Freda no niakarany sehatra voalohany nitazonany ny mpandray anjara fototra. Ny fahaizany misehatra, ny fananany feo avo izay tena ilaina ao amin’ny tantara fisehatra kilasika malagasy, izay teatra ravahina hira teatraly noforonin’Andrianary Ratianarivo sy Rasamy Gitara ary anisan’ny nampalaza ny Tropy Jeannette dia vao mainka nahafahana nampita ny fampitiava ny teatra malagasy teo amin’ireo mpijery. I Ninà  Randriamahenina  no vehivavy mpandray anjara fototra niaraka taminy ka mbola nampalaza ny Tropy Jeannette hatrany. Tamin’ny taona 2005 nandritra ny Festival Donia dia nisehatra ny tantara Ny Voromailala ny Tropy Jeannette tany Nosy Be ka  nankafizin’ny olona ny fahaizan’ny Tropy misehatra , izay i Mamy no nitana ny anjara fototra. Nofohazin’ny Tropy Jeannette tao amin’ny Teatra Monisipaly Isotry ireo tantara nampalaza azy nanomboka tamin’ny taona 1929 dia ny Ranomody, Sangy Mahery, Ambalambato, Sitrapo sa Adidy, HM  … ary nolalaoviny ihany koa tany amin’ny Faritra sasany. Ny piesy Voromailala kosa dia nolalaovin’ny tarika niaraka taminy tany Nosy Be tao anatin’ny Festivel Donia.

Ny alarobia 23 aogositra 2017 no halevina eny amin’ny fasan-drazany eny Sabotsy Namehana ny nofo mangatsiakan’i Mamy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT