kolontsaina

Teatra Malagasy Nofoanana ny hetsika Faha-10 taona nahafatesan’i Victor Solo


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Na dia eo aza ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy tarihan’i Mbato Ravaloson hanamarika ny faha-10 taona nahafatesan'i Victor Solo andrarezin'ny teatra malagasy (2007-2017) noho ny fiaraha-miasa tamin'ny tompon'andraikitry ny Ivokolo Cemdlac izay saika ho tanterahina amin’ny alahady 26 novambra 2017 ary namaritana ny hiseharana ny tantara Kapoaka sa Vahoaka ?

  nosoratan'i Victor Solo saika holalaovin'ny Tropy Victor Solo  eo amin'ny fizarana voalohany, ary saika hiventsoan’ny FMTM ireo hira teatraly amin’ny fizarana faharoa dia tsy afa-manoatra ny rehetra ka voatery tsy maintsy nofoanana ity fampisehoana ity satria tratry ny aretina tampoka i José mpisehatra fototra ao amin'ny Tropy Victor Solo ary mbola tsaboina eny amin'ny Hopitaly Miaramila eny Soavinandriana ka dia mazava loatra fa tsy afaka ny hilalao io tantara io ny tropy satria efa akaiky loatra ny fotoana ka sarotra ny manolo io mpisehatra io.Marihana fa i Victor Solo dia mpanoratra nalaza teo amin'ny fanoratana tantara tsangana mikasika ny fiaraha-monina toy ny Kapoaka sa Vahoaka ? Ranavalona III sy ny Jeneraly Galliéni, Voky izy dia natory, Ho entina aiza ny firenena ? sns ... izay nolalaovin’ny tropy Victor Solo noforoniny ihany.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT