kolontsaina

Teatra Ambatovinaky Feno 120 taona amin'ity taona 2019 ity Teatra Ambatovinaky Feno 120 taona amin'ity taona 2019 ity


  • Zoma 13 Septambra 2019

Ny 14 septambra 1899 no notokanana ny “Théâtre Municipal de Tananarive” izay fantatra tamin'ny hoe : Teatra Ambatovinaky. Ny “Opérette LA MASCOTTE” noforonin'i Edmond Audran tany amin'ny taona 1880 no nanokafana azy ka ny Tropy DURU ET CHIVOT no nisehatra ny tantara.

 

 

 Ny 22 septambra 1899 kosa no nolalaovina tao  ny teatra malagasy voalohany dia ny ZEFINE SY ARMAND nosoratan-dRajaonah Tselatra ary ny Tropy  “TANANARIVE THEATRE” no nilalao azy. Opérette koa izy io, izany hoe  tantara ravahana hira. Dia noraisinay FMTM “Fikambanan’ny Mpanao Teatra Malagasy”  ho fiatombohan'ny  Teatra teto Madagasikara io daty io, hoy i Mbato Ravaloson filohany, na dia efa nisy karazana teatra Malagasy ihany aza talohan’izany  Tao amin’ny Teatra Ambatovinaky no nanandratana ny Teatra Kilasika Malagasy izay tantara ravahana hira teatraly ka ny nalaza indrindra tamin'ireo mpamoron-kira dia i Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Andrianary Ratianarivo. Nakaton'ny fanjakana frantsay tamin’ny taona 1950 vokatry ny raharahan'ny 1947 ary narodana ny taona 1953 ny Teatra Ambatovinaky. Amin'izao dia trano fidiovana (WC) no hita ao ary efa mandeha moa ny feo fa ho lasa “parking” ny hotely ampitan'io toerana io izy. Efa tamin'ny fankalazana ny faha-100 taonan'Ambatovinaky ( 1999) no nangatahana ny mba hamerenana ny Teatra Ambatovinaky amin'ny endrika ivelany  fa atao Mozea d'Art izy  hisarihana ny Malagasy hahafantatra bebe kokoa ny kolontsainy sy ny zavakantony, indrindra ireo mpizahatany ihany koa. Ny tantara “Kapoaka sa Vahoaka” nosoratan'i Victor Solo (1978) ary holalaovin’ity Tropy ity hialohavan’ny  fampirantiana fintina hatao ao amin'ny Alliance Française Andavamamba ny zoma 20 ka hatramin'ny alahady 22 septambra toerana hilalaovana ny teatra no hanamarihana ny 22 septambra 2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT