kolontsaina

TEAM Safelika Hanao seho goavana etsy amin’ny ESCA Antanimena


  • Zoma 25 Mey 2018

Hanatanteraka seho miavaka etsy amin’ny tokotany malalaky ny CC ESCA Antanimena ny team Safelika ny alahady 27 mey ho avy izao, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny reny.

Seho vaovao avokoa no hasehon’ireo mpandray anjara. Anisan’ny hahazo laka ny hatsikana eo amin’ny hira sy ny tantara an-tsehatra itarafana ny fiainana andavanandron’ireo ankohonana Malagasy. Efa am-bolana vitsy no nanomanan’ny Team Safelika ity fampisehoana ity. Tsy natao ho an’ny reny irery ihany fa ho an’ny ankohonana iray manontolo mihitsy. Ankoatra ny amboaram-boninkazo ho an’i Neny mantsy dia hahazo ny anjara tandrifiny ihany koa ny raim-pianakaviana rehetra. Ho an’ny kilonga madinika dia hifaly havanja miaraka amin’i Dingy sy Daingy izy ireo. Tafiditra ao  anatin’ny hetsika ho fanohanana ireo tanora hiatrika JMJ Mada andiany fahasivy  izay  hatao any Mahajanga ihany koa moa ity hetsika ity.  Tsiahivina fa anisan’ny hanafana ny lanonana ry Arion Joy sy Mr Saida. Haharitra ora dimy ny fampisehoana ka amin’ny 9 ora maraina dia efa  hivoha ny vavahady. Hisy ny karazan-tsakafo sy tsakitsaky amin’ny vidiny mirary.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT