TARIKA ZAY SY TOVO J'HAY

Hihaona amin'ny mpankafy etsy amin'ny CCI Ivato


  • Zoma 21 Novambra 2025

Raikitra ilay hetsika Mbola hafa

andiany faharoa karakarain'ny Louvto Compagny. Eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato indray no hanatanterahana izany rahampitso Sabotsy 22 Novambra manomboka amin'ny 03 ora folakandro. Mpanakanto hankafizin'ny mpankafy maro no sady manana ny maha-izy azy no hanafana ny sehatra mandritra izany ahitana ny tarika.Zay sy Tovo J'hay. Amin'ny 12 ora atoandro dia efa hisokatra ny vavahady, raha araka ny tafa nataon'ny mpikarakara tamin'ny mpanao gazety omaly. Hohirain'izy mianadahy mandritra izany avokoa ireo hira nahafantarana sy nankafizan'ny mpankafy azy hatramin'izay. Haharitra ora 4 eo ho eo ny fampisehoana ka ny masoandro mody no hampalahelo. Nambaran'i Malala sy Tovo J'hay moa fa efa vonona tanteraka izy ireo taorian'ny fiomanana nataony. Mampiavaka ity hetsika ity tamin'ny andiany voalohany moa ny andro sy ny toerana nanaovana azy. Andro Alahady ny tamin'ny andiany voalohany natao tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Pati
Légende : Tovo Jhay sy Malala vonona hanome ny tsara indrindra ho an'ny mpankafy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT