kolontsaina

Tarika ‘Zay Nahafinaritra ny seho na dia tara fanombohana aza


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Feno 22 taona izao no nisian’ny tarika ‘Zay ary mbola no porofoiny hatrany ny mampiavaka azy hatramin’izay tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, omaly.

Fahombiazana tanteraka ny seho sy ny kanto natolotr’i Nary sy Malala ho an’ireo mpankafy sady fotoana efa ifanomezana isaky ny roa taona. Nitety an-kira ireo fotoana rehetra niarahana hatramin’izay ny tarika. Nisy ireo efa nandrasan’ny mpankafy hatramin’izay ary teo ihany koa ny zava-baovao nampiavaka ny seho hatrany. Teo amin’ny rindra an-tsehatra dia mbola nisongadina ireo mpikambana fototra izay nahitana an’i Nini (aponga maro anaka), Mika kely (gitara beso), i Tovo sy i Haingo (gitara), Bim (percussions) ary Mamy (vata maroafitsoka). Nanampy azy ireo kosa tamin’ity ireo mpitsoka zavamaneno telo lahy niampy an-dry Anaah Quartor izay nisahana ny feo lafika. Toy ny mahazatra, naka afovoany teo amin’ny kianja ny sehatra, izay nampiavaka ny tarika ‘Zay ary nitarina kokoa ka nampiaina ny seho.  Niezaka mafy ireo mpandritra ny feo satria tena afa-po ny mpijery raha ny teo amin’iny lafiny iny manokana. Nasehon’i Nary sy ny ekipany fa mbola manana ny lanjany ireo hira taloha izay tsy afaka am-bavan’ny maro. Toy ny Manahirana, Tsotr`izao, Tandindonao ary ny maro hafa no nambabo indray ny fon’ireo mpankafy. Nandona mafy ny fanahin’ireo mpijery ny fomba niangolan’i Malala sy ireo feo lafika ny hira rehetra. Tafita ny hafatra ary nipaka any amin’ny mpankafy sahady ny vokatra vaovao. Nisy ampahany tamin’ireo hira vaovao be sivy voarakitra ao no efa natolotra sahady ny mpankafy tamin’io fotoana io ary niarahana nikalo. Ny indro kely dia ny fahatapan`ny jiro sy ny olana ara-teknika teo amin`ny fanombohan`ny fampisehoana ary naharitra adiny iray mahery. Amin’ny ankapobeny, nahafinaritra ny seho na dia teo aza ny sampona kely nanaratsy endrika azy. Nalai-nisaraka ny mpankafy sy ny tarika `Zay satria afaka roa taona indray ny fotoana manaraka.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT