kolontsaina

Tarika 'Zay Afa-po ny mpankafy, feno hipoka ny Palais des Sports


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Fahombiazana tanteraka no azon’ny tarika Zay sy ny Ivenco ary ny orinasam-pifandraisana Orange omaly tetsy amin’ny lapan’ny

 

 

 

kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Feno hipoka mantsy ity toerana fandraisana lanonana ity, noho ny hamaroan’ireo mpankafy izay notohanam-potsiny. Tsikaritra fa efa  ela niandrasana  ity mpanakanto ity ny rehetra tao anatin’izay enim-bolana lasa izay. Nahatratra  30 teo ho eo ny hira nohirain’i Nary sy Malala nandritra izany, hira efa saika nahafantarana azy ireo avokoa ankoatra ireo hira vaovao. Naharitra  ora telo   ny fampisehoana,   narahin’ny fandrindrana manara-penitra  teo amin’ny lafiny teknika. Tsiahivina fa tonga nampiara-peo tamin’izy ireo ihany koa Raboussa, tao anatin’ilay hiran’ny  tarika Zay, mitondra ny lohateny hoe : hatramin’izao iny. Amin’ny  taona ho avy indray, araka izany, ny fampisehoana lehibe manaraka, hankalazana ny faha-24 taona niorenan’ny tarika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT