Tarika Tirike

Fotoan-dehibe any Toamasina ny zoma izao


  • Alarobia 29 Jolay 2026

Nitodi-doha aty Madagasikara i Tirika

taorian’ny hetsika maro tany ampitan-dranomasina, ka maro ny fandaharam-potoanany ao anatin’izany. Akaiky indrindra ny fanafanana ny faha-10 taonan’ny FI ZA A (Fikambanan’ny Zanaka Atsimo Andrefana ao Toamasina) ao Toamasina ny zoma 31 jolay 2026 izao. I Toamasina izay toerana isan’ny be mpanohana ny Groupe TIRIKE eto Madagasikara, ka tafahoana ny tia sy ny manina, ary inoana fa tena tena hafana sy hangotraka ny ambiansy. Aorian’izay dia hiazo an’Imady, ka isan’ny fandaharam-potoana lehibe ny amin’ny 4 aogositra ho avy izao, izay efa nampiomanany ireo mpankafy, raha izy nanainga avy tao Madrid Espagne andro vitsy lasa. Izy sy ny vahoakan’Imady izay efa toy ny rano sy vary. Marihina fa maro ny fitetezam-paritra nataon’i Tirike tany Amerika sy Eoropa nialohan’izao, toy ny tamin’ny 13 jona 2026, niaraka amin’ny « Menabe Solidaire » tao Paris, sy ny hetsika lehibe nanaovana « Collecte des Fonds » niaraka amin’ny Association SOATATA tany Sceaux région Île-de-France herinandro taorian’io. Tanjona tamin’izany ny hananganana efitranon-tsekoly ho an’ny oniversite vaovao any Ampanihy Andrefana. Maneho hatrany fa tsy mijanona sy mionona fotsiny amin’ny mozika dia ny fanandratana ny gadona tsapiky i Tirike, fa miezaka mitondra anjara biriky ho fanasoavana ny tanindrazana sy ny mpiara-belona.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT