Tarika TELOFANGADY

Nanaporofo indray fa tsara sy kanto ny hira


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Malagasy Kanto, raitra, tsara. Izay no hamintinana ny seho "Gasikarako "

nataon-dry Telofangady omaly tolakandro tetsy amin'ny Ivokolo Analakely .Mazava be ny lohateny fa dia niompana tamin'ny fitiavan-tanindrazana ny fampisehoana , ka tamin'ny alalan'ny hira ba gasy miaraka amin'ny zava-maneno malagasy toa ny gitara, aponga tapaka, sodina, valiha no nanehoan'ny tarika Telofangady izany. Ankoatra ireo ba gasy, hira gasy nahalalana ny tarika, dia niditra teny antefatsefany teny i Dr Liva nanentana sy nanao hatsikana. Izy moa dia mpihira sady rahalahin'i Haja .Fotoana nampisehoana tamin'ny fomba ofisialy an'i Rado zanak'i Haja Telofangady ihany koa ny omaly. I Rado no voalaza fa hisolo an-drainy eo anivon'ny tarika; somary nanao vazivazy moa ity farany hoe : " raha tian'ireto mpijery ireto ialahy dia afaka mandeha". Feno hipoka i Ivokolo, na dia alahady hariva aza, eo ireo mpankafy mpanaraka my tarika efa ho 20 taona, fa tazana teny an-toerana ihany koa ireo olo-manan-kaja sy olom-boafidy ary olom-pantatra eo amin'ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika toa ny depiote Narson Rafidimanana sy Tahina Razafinjoelina, filoha mpanorina ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT