kolontsaina

Tarika TDL, NY AVO, GAEFI, PASTERA JOCELYN


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Nakisaka ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fampisehoana

 

 

Hotanterahina ny zoma fiandohan’ny volana novambra ho avy izao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ihany ilay fampisehoana hotanterahin’ny tarika Tdl, ny pastera Jocelyn Ranjarison, Ny avo ary ny gaefi raha tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no saika hanaovana azy. Hisokatra amin’ny 10 ora maraina ny vavahady raha hanomboka amin’ny 02 ora kosa ny fampisehoana haharitra ora efatra eo ho eo. “Sakafo ny fiderana” andiany faharoa, no anarana nampitondraina ny hetsika izay manana tanjona hizara fahasoavana ho an’ny isam-baravarana amin’ny alalan’ny hira izay hatolotr’izy ireo. 2.000 Ar ny fandraisana anjara amin’ny alalan’ny valopy alaina etsy amin’ny Super Music Analakely. Tsy vidim-pidirana izany, hoy ny mpikarakara raha ny vola lany tamin’ny fikarakarana rehetra fa fanentanana ny olona kosa mba handray anjara amin’ny fitoriana ny filazantsara an’i Kristy. Mihoatra ny 9.000 ireo olona andrasana ho avy amin’ity fampisehoana ity raha 8.500 ny valopy nisy naka tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina fa efa nofandrihan’ny mpikarakara sahady ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina mba hanaovany fampisehoana amin’ny 01 novambra taona 2020 raha efa herintaona ihany koa izay no namandrihany ity toerana ity saingy voatery nafindra etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT