kolontsaina

Tarika Takasy Handray anjara amin’ny World Music Trophy


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Isan’ireo mpanakanto handray anjara amin’ny fifaninanana iraisampirenena World Music Trophy ny alahady 10 may izao ny mpanakanto malagasy avy ao amin’ny tarika Takasy.

 

Izy ireo izany no hisolo tena an’I Madagasikara hifaninana amin’ireo mpanakanto avy amina firenena miisa 16 hafa handray anjara. Araka izany dia firenena 17 no voatsonga handray anjara ka ankoatran’i Madagasikara dia manana ny solontenany ihany koa i Etazonia, Panama, Belzika, Frantsa, Filipinina, Pakistan, Guinee, Benin, Maraoka, RDC, Meksika, Dominika, Kenya, Etiopia, Haiti sy Sierra Leone ary Ghana. Ny alahady izao amin’ny 4 ora no ahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fifidianana ka amin’ny alalan’ny fanaovana fanehoan-kevitra eo amin’ny sanganasan’ilay mpanakanto miseho ao amin’ny kaontin’ity fifaninanana voalaza teo ity no hahafahana manatanteraka izany. Izany hoe eo amin’ilay misy soratra hoe Madagasikara raha hisafidy ny malagasy, ohatra, no manisy fanehoan-kevitra. In-dray mandeha maneho hevitra ihany anefa no azo atao, hoy ny fanamarihana.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT