kolontsaina

Tarika Spesialista Hamoaka hira vaovao betsaka mihetsiketsika


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Mitondra zava-baovao ny tarika Spesialista, tarihin-dRandrianasolo Hugues amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2019 izao.

 Ankoatra ny maha mpihira azy ireo dia  manomboka mirotsaka eo amin’ny sehatry ny fanafanana lanonana ihany koa izy ireo, miaraka amin’i Chakii, ilay tovovavy kely mpihira vao misandratra,  zanak’i Hugues ihany.  Ingahy spesy no anarana entin’ity farany ao anatin’izany izay tsy mianona fotsiny amin’ny hira nahafantarana azy ireo hatramin’izay  fa afaka mindrana hiran’olon-kafa maro samihafa ihany koa. Mariazy, tsingerin-taona nahaterahana… dia samy azon’izy ireo hafanaina  avokoa sady efa niatrehany fiofanana nandritra ny telo taona, raha araka ny fanazavan’i Chakii. Mikasika ny lafiny hira kosa dia fantatra fa hira vaovao miisa valo no havoakan’ny tarika ato ho ato. Mihetsiketsika avokoa ny gadon-kira ao anatiny izay nomarihin’i Hugues manokana fa  natao hamalifaliana ny  mpankafy rehetra, indrindra fa ireo olona tsy mahafoy azy ireo. Tsiahivina moa fa na dia nindaosin’ny fahafatesana aza ny mpikambana iray tao anatin’ny tarika ary lasa any Frantsa manatevina ny traikefa efa ananany ny iray dia mbola vonona hatrany i Hugues  hanao izay hahafa-po ireo mpankafy azy manerana ny Nosy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT