Tarika Solika

Hanolotra seho fankalazàna ny fetin’ny reny


  • Alarobia 21 Mey 2025

Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny

Alahady izao ao amin’ny CCESCA Antanimena. Hetsika ho fanohanana ny asa ataon’ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana io, hoy ny fampitam-baovao voaray. Hiaka-tsehatra indray, araka izany, ny tarika ka ireo karazan-kira nentina nandravaka ny piesy teatraly tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha 20 momba ny reny, ny fihavanana, firaisankina, fifankatiavana ary ny fitiavan'olon-droa amin'ny endriny rehetra no hita mandritra io fotoana io. Hiantsa ny sanganasan’ireo mpamoron-kira tranainy efa kalaza ny tarika. Tsy ambakan’izany koa izay tena mampisongadina ny tarika dia ny hira rodobe misy beso maredona miaraka amin’ny mpisehatra am-polony sy ny rodokely ataon’ny mpihira vitsy ary indrindra koa ny rodobe an-dehilahy fotsiny toy ny “He! Diavolana” na rodobe am-behivavy fotsiny toy ny “Andeha hanasa lamba”, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT