Tarika Solika

Hanolotra seho fankalazàna ny fetin’ny reny


  • Talata 20 Mey 2025

Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady

izao ao amin’ny CCESCA Antanimena. Hetsika ho fanohanana ny asa ataon’ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana io, hoy ny fampitam-baovao voaray. Hiaka-tsehatra indray, araka izany, ny tarika ka ireo karazan-kira nentina nandravaka ny piesy teatraly tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha 20 momba ny reny, ny fihavanana, firaisankina, fifankatiavana ary ny fitiavan'olon-droa amin'ny endriny rehetra no hita mandritra io fotoana io. Hiantsa ny sanganasan’ireo mpamoron-kira tranainy efa kalaza ny tarika. Tsy ambakan’izany koa izay tena mampisongadina ny tarika dia ny hira rodobe misy beso maredona miaraka amin’ny mpisehatra am-polony sy ny rodokely ataon’ny mpihira vitsy ary indrindra koa ny rodobe an-dehilahy fotsiny toy ny “He! Diavolana” na rodobe am-behivavy fotsiny toy ny “Andeha hanasa lamba”, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT