TARIKA SAHONDRAFININA

Mbola misy 4 any amin’ny hopitaly


  • Talata 18 Jona 2024

Mbola any amin’ny hopitaly manaraka fitsaboana ireo 4 mianadahy ao anatin’ny

tarika Sahondrafinina naratra sy nitondra takaitra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ireo tany amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny herinandro lasa teo. Namoy ny ainy tamin’izany raha tsiahivina Rakotolava, mpitendry lokanga tao amin’ny tarika ary efa voalevina soa aman-tsara. Tapaka moa ny sandrin’ny mpitendry lokanga iray, raha voa teo amin’ny taolan-tratrany kosa ny iray. Maratra sy mangana kosa ny loha sy ny tarehin’i Claire na Raivobe rah any lohany sy ny tarehiny ihany koa no maratra ho an’i Rova, mpitsoka trombone vadin’i Rova. Tsiahivina moa fa saika hamonjy sehatra tany Bongolava izy ireo no izao tra-doza izao. Nivadika ilay fiara nitondra azy ireo ka potika nikarepoka tanteraka ny lohany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara nitondra azy ireo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT