kolontsaina

Tarika Radjur Namoaka ny rakikirany voalohany « Aingan’i Dada »


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Vao sivy taona Randrianindrina Zafitsiresy dia efa nilalao gitara niangaly ny ba gasy niaraka tamin’ny tarika Lefona. Tsy nijanona teo ny fankafizany ny mozika Malagasy, antony nanosika azy namorona vondrona iray tamin’ny taona 1979 saingy niparitaka.

 

Nihetsika indray izy ny taona 1998 ary efa nisy mihitsy ny fakana feo  nataony tamina studio iray. Ankehitriny  tonga amin’ny tanjona nokendreny ihany ny lehilahy ka hamoaka ny rakikirany voalohany mitondra ny lohateny hoe : « Aingan’i Dada ». Mampiavaka io rakikira io ny fahitana ireo karazana gadona malagasy rehetra toy ny kaiamba,  ny pop music sy ny folk. Ankoatra izay dia nosafidiana manokana ireo hira 12 mandrafitra ity album izay nalaina tao anatin’ireo karazan-kira marobe efa nahafantarana ny tarika hatramin’izay. Maro ny lesona sy anatra ary fahaiza-miaina azo raisina ao anatin’ny hiran-dRandrianindrina Zafitsiresy, raha ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly. Sady ahitana ny fiainana eny anivon’ny fiarahamonina no manitsy ny dian’ireo solafaka ihany koa ny hirany. Ao koa ny fitoriana ara-pilazantsara entina hiderana sy hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Anisan’ny toerana ahitana ity rakikiran-dRadjur vaovao ity ny eny amin’ny Super Music Analakely.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT