kolontsaina

Tarika Rabejean Miarinarivo Amin’ny 2023 ny rakikira voalohany


  • Zoma 23 Desambra 2022

Hita ho efa manomboka miverina anaty kolontsaina tsikelikely ny olona na dia misy ihany aza ny mivoana eny an-tsefatsefany eny,

 hoy ny mpitarika ny tarika mpiangaly vakodrazana, Rabejean Miarinarivo. Amin’ireny fampisehoana na mariazy sy ny sahala amin’izany ireny dia matetika efa maka mpanao hira gasy na mpanao vakodrazana ny olona, hoy izy. Ny mampalahelo anefa dia eo ilay fitenenana hoe “Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara”. Mahita isika tamin’ity taona 2022 ity fa anaty fampisehoana misy olona mitanjaka mihitsy na sahala amin’izany. Mahafaly anefa ny maheno hoe efa isan’ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny kolontsaina ny hampiditra ny hira gasy ho isan’ny vakoka iraisampirenena. Ny kabary koa izao efa tafiditra. 5 taona izao no nipoiran’ny tarika Rabejean Miarinarivo. Hivoaka amin’io taona 2023 io ny rakikira sy rakipeo voalohany ahitana vakodrazana sy hira gasy ranofotsiny. Vina efa ela io. Miisa 12 no hira ao anatiny. Maromaro ny fandaharana mamarana ny taona satria vao tamin’ny sabotsy sy alahady teo izao izahay no nanao fampisehoana miisa 2 nisintaka kely an’Antananarivo renivohitra. Etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba indray izao ny manaraka miaraka amin’ny famoahana mpianatra amina sekoly ambony iray ary ny ankoatrany moa dia any Itasy, hoy hatrany ny tarika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT