kolontsaina

Tarika ny Ainga Notolorana mari-pankasitrahana


  • Alarobia 22 Mey 2019

«Tena faly noho ny fankasitrahana azon’ny tarika avy amin’ny fiangonana. Sady fahasoavana izany no mipetraka ho tantara fahatsiarovana», hoy i Luc Marie Rabesaiky, mpitondra ny tarika Ny Ainga.

 

 

 

Notolorana mari-pankasitrahana manokana ny tarika noho ny hira faneva noforonin’itompokolahy Om-Guy tamin’ny fananganana olontsambatra an-dRaphaël Louis Rafiringa. Nandritra ny Sorona masina lehibe fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan'io olontsambatra lasalianina io any an-danitra sy ny faha-10 taona nanandratana azy ho olontsambatra, ny alahady teo. Marihina fa mbola hisy ny dia mivavaky ny mpino katolika hotanterahina any Fianarantsoa aoriana kelin’ny taon-jaobily. Araka ny tantara, betsaka ireo nifaninana tamin’ny hira fanevan’ny fanandratana ho olontsambatra fa ny hiran’ny tarika no voalohany. Noho ilay hira efa gadona sy mozika lafika nanana ny lazany nandritra ny hiran’ny fanolorana fa ny tonony no hafa. Miandrandra ny fiombonan’ny tarika ireo mpankafy, indrindra amin’izao fankalazana ny faha-25 taona izao sy ny andro vitsy hahatsiarovana ny nahalasanan’i Guillaume Marie Rabesaiky, izay mpiara-manorina sy lohan’ny tarika.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT